Mahatratra hatrany amin’ny 900Ar ny vidin’atody eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra izany nanomboka ny volana jona teo. Ankehitriny, manomboka ny 750 ka hatramin’ny 900Ar ny vidin’izany. « Ireo atody madinika no mora vidy raha oharina amin’ireo vaventy », hoy Rasoa, mpivarotra eny Analamahitsy. Mihena ny mpanjifa, voatery mampihena ny entana alaina […]
Toe-karena
Soavinandriana: Karatany 3 072 sy titra 200 voazara
Natao ny zoma teo ny fizarana karatany sy titra faobe ao amin’ny faritra Itasy, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière, (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Miisa 3 072 ireo karatany […]
Sandam-bola: mananika ny 4 900Ar ny euro iray
Manakaiky ny 4 900Ar ny euro iray. Nihena ihany koa ny vokatra naondran’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona ka miantraika eo amin’ny toekarena. Mitotongana! Ratsy toerana ny sandam-bola malagasy, mananika ny 4 900Ar ny euro iray, eo anivon’ny tsena ifanakalozana vola vahiny (MID). Nisanda 4 885,02Ar izany, omaly, raha toa ka […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa miverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra any Toamasina, nanomboka, omaly. Tsiahivina fa may ny taribin-jiro ambanin’ny tany, ny alarobia 10 jolay teo, nahatonga ny fahatapahana faobe tao an-tampon-tanàna. Nifanome tanana tamin’ny Jirama ny ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny, niasa andro aman’alina. Nahazo sambo haingam-pandeha antsoina hoe Atsantsa 1 ny minisiteran’ny Jono sy […]
Banky iraisam-pirenena: fanamafisana ny fiaraha-miasa
Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Banky iraisam-pirenena. Mitarika ny delegasiona, ny tale misahana ny Vondrona ara-toekarena faobe sy ny varotra ary ny fampiasam-bola, Manuela Francisco. Nihaona tamin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, omaly atoandro, teny Mahazoarivo, ny delegasiona. Niresahana ny fanohanan’ny Banky iraisam-pirenena an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ankapobeny ny dinika. Ao […]