Toe-karena

Fikarohana momba ny vary : Hizara ny fahaiza-manaony ny Japoney

Hanolotra ny traikefany sy ny fahaiza-manao ao anatin’ny fikarohana momba ny vary eto amintsika ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney. Hiara-miasa akaiky amin’ireo mpisehatra samihafa ireo teratany vahiny ka tanjona ny hanatsarana sy hampiroborobo ny vokatra eto amintsika. Araka izany, hiara-hisalahy amin’ireo mpikaroka avy ao amin’ny Fofifa ireo japoney. Tafiditra ao anatin’izany […]

VAOVAO TAMBATRA

Hamaritra ny vidin’ny internet ny fanjakana ho an’ireo mpandraharaha mibahana ny tsena. Hotanterahina amin’ny alalan’ny Artec izany. Fanombohana ny tetikasa ny nanaovana fihenam-bidy ny tolotra izay efa nampiharin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fifandraisan-davitra, izay mifototra bebe kokoa amin’ny alina. Mitentina 5 miliara Ar ireo vata mpanova herinaratra naterin’ny filohan’ny Fanavaozana ny […]

Afripower : Herinaratra 40 MW avy amin’ny masoandro

Anisan’ny mamatsy herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), an’ny Jirama, ny orinasa Afri­po­wer, ao anatin’ny vondrona Filatex. Hanomboka ny fananganana ny fotodrafitrasa foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ao Moramanga. Hamokatra 40 MW ity foibe ity, raha toa ka 5 MW ny vokarin’ny foibe mandeha solika (HFO) ao an-toerana, ankehitriny. […]

Orange Madagascar : Tafapetraka ny Fibre optique Tana-Mahajanga

Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny niomerika no vitan’ny Orange Madagascar tamin’ny alalan’ny fahavitan’ny tambajotra « Fibre optique » Tana-Mahajanga, izay mirefy 558 km. Fotodrafitrasa vaovao natao hanamafy ny tambajotram-pifandraisana, hiantohana ary hanomezana tolotra tsy ankiato ny mpanjifa an-tapitrisa izany. Naharitra valo volana ny asa ka miisa 2 500 ireo olona niara-nisalahy taorian’ny fanadihadiana […]

« Visited » : Tambajotra sosialy voalohany misehatra amin’ny fizahantany

Voalohany eto Madagasikara. Vovonana mitondra fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fizahantany amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ny « Visited », tambajotra sosialy vita malagasy. «Manampy amin’ny fijerena ny ha­kan­ton’ny Nosy sy hamaly ny fanontaniana rehetra manitikitika ny tsirairay ny faharanitan-tsaina artifisialy (Visited AI) miaraka aminy», hoy i Alpha, mpamorona ny tetikasa. […]