Natao ny zoma teo, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mendrika tamin’ny fifaninanana «Prix Orange de l’entrepreneur social en Afrique et Moyen-Orient», Poesam 2025. Nibata ny laharana voalohany ny Mitao Forecast Africa. Tetikasa miompana amin’ny fampiasana ny teknolojia haminavinana ny toetr’andro sy hiarovana ny […]
Toe-karena
“First Global Challenge”-Panama : Haneho ny fahaizany ny Team FGC Madagascar
Hotanterahina ao Panama, ny 29 oktobra ka hatramin’ny 1 novambra, ny fifaninanana iraisam-pirenena « First Global Challenge 2025 » (FGC) momba ny robotika. Lohahevitra amin’ity taona ity ny « Éco-Équilibre », izay andraisan’anjaran’ireo tanora marobe avy amina firenena maherin’ny 190. Hisolo tena an’i Madagasikara i Nathan, Hanniel, Barisoa ary Sylvio. […]
Seranan-tsambon’i Toamasina : Mahazaka kaontenera 4 500 ny « Terre-plein Hastie »
Efa miasa ary afaka mandray kaontenera hatramin’ny 4 500 ny « terre-plein Hastie » vaovao ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ankehitriny. Vita ny 72 % ny asa fanitarana ny seranana amin’ny ankapobeny. Mitohy ny fanavaozana sy fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Anisan’ny asa goavana tanterahina ny fametrahana ny « terre-plein Hastie » […]
ACE : Kely ny tetibola ho an’ny fikarohana
Tsy omena ny lanjany hatreto ny lafiny fikarohana ara-tsiansa. Raha ny nambaran’ny Fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka (ACE), zara raha ny 0,01% ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika monja no atokana ho an’ny asa fikarohana. Miisa 9 ny Foibem-pikarohana, ka 100 tapitrisa Ar isan-taona ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana. […]
Jirama : Mitaky ny fialan’ny tale jeneraly ny sendika
Mitaky ny ialan’ny tale jeneraly Ron Weiss, ny mpiasa, omaly, nandritra ny fitokonana nataony teny amin’ny birao foiben’ny orinasa eny Ambohijatovo ambony. Hiato avokoa ny asa rehetra mandra-panendrena ny tale vaovao, hoy ireo sendika. Niroso tamin’ny fitokonana faobe ny mpiasan’ny orinasa jirama, ny tanora avy amin’ny « Gen Z », ary sendika […]




