Mamatsy vola ny fanarenana ny lalana Ambilobe-Antsiranana ny Vondrona eoropeanina ara-bola. Vita hatrany amin’ ny 50% ny asa ataon’ny orinasa Colas. Mitohy koa ny fanarenana ny ampahan-dalana Ambanja – Ambilobe, izay efa vita ny 1/3 amin’ny asa. Vita hatrany amin’ny 90% kosa ny fanamafisana ny fivilian-dalana PK 568, any amin’ny […]
Toe-karena
Tobim-pakon’Andralanitra : ahodina ho «biométhane» sy zezika ny fako
Ahodina ho entona « biométhane » sy zezika ho an’ny fambolena ireo fako mitoby eny Andralanitra. Nametraka ozinina eny an-toerana ny orinasa Apis Solutions. Hioty ny vokatra voalohany isika ny volana jolay 2025. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny Andralanitra, ny tetikasa fanodinana ny fakon’Andralanitra ho lasa entona […]
«Festival deux roues» : hamory mpitondra moto miisa 30 000
Hatao ny 3 sy 4 aogositra ho avy izao, eny amin’ ny CCI Ivato, ny hetsika goavana «Festival deux roues», andiany voalohany. Mpiara-miombon’antoka manohana azy ny orinasa Airtel Madagasikara. Tanjona ny hamoriana mpikirakira moto maherin’ny 30 000 amin’ io fotoana io, ahitana mpitondra, klioba, federasiona, fikambanana, sns. Lohahevitra noraisina ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 10 000 ny zana-trondro nozaraina tamin’ ny mpiompy trondro tilapia any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny 16 jolay teo. Mpiompy miisa 23 ny mpisitraka avy any amin’ny distrikan’i Vangaindrano, Farafangana ary Vondrozo. Nanolotra izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Jono, entina hampiroboroboana ity seha-pihariana ity. Hahodina ho angovo madio « biométhane » […]
Tsy fisian’ny orinasa : Sakana ho an’ny fampandrosoana ao Toliara
Mibahan-toerana ny tsy fisian’ny asa any Atsimo Andrefana. Anisan’ny manana izany fijery izany i Bokassa, filohan’ny fikambanana Zatovo tsy an’asa any Toliara. « Tsy azoko mihitsy ny zava-misy, mitady fanampiana ara-bola etsy sy eroa ny fanjakana, nefa samy manana ny otrikarenany daholo ny rafitra tsirairay, ary anisan’izany ny tapany atsimon’ny Nosy », […]