Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Ho tohizana ny asa fanamboarana ny arabe migodana, hatreo amin’ny PK 80. Ezahina tsy hisy intsony ny tanimbary hokitihina sy hototofana. Hitohy ny fandoavana ny onitra ho an’ireo mponina voakasiky ny fanamboarana. Nomen’ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, toromarika koa ny orinasa Samcrete hifampidinika hatrany amin’ny teknisianin’ny minisitera […]

Vokatra fanondrana: Harenina ny sehatry ny lavanila

Nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ny seha-pihariana lavanila ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana, nandritra ny fihaonany tamin’ireo loholon’i Madagasikara teny amin’ny Lapan’Anosikely. Efa nisy, hoy izy, ny atrikasa nihainoana ny mpisehatra rehetra tany Sambava. Natsangana ihany koa ny komity teknika iraisan’ny minisitera handinika ny vahaolana maharitra […]

CEO Summit : Vina ara-toekarena vaovao ho an’ny taona 2026

Hatao ny 9 sy 10 avrily 2026 ho avy izao, eto Antananarivo, ny fihaonambe ara-toekarena, andiany faharoa. Fotoana hiompana amin’ny lafiny rehetra iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, hamaritana tondrozotra vaovao. Natao ny 4 desambra 2025 teo, teto Antana­na­rivo, ny fanomanana ny fihaonana an-tampony, andiany faharoa, CEO Sum­mit. Fihaonambe iraisam-pirenena mamondrona ireo mpandraharaha […]

Bôndy Green Army : Mpilatsaka an-tsitrapo manao fambolen-kazo

Nanangana ny fikambanan’ny mpilatsaka an-tsitrapo, Bôndy Green Army (BGA), ny orinasa Bôndy, entina hanatanterahana ny asa fambolen-kazony. Mandray anjara amin’ ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo (JIV) izy ireo, anio 5 desambra 2025, hatao etsy amin’ny efitrano malalaka Havoria Anosy. Handray an­jara feno amin’ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra, […]