Toe-karena

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: nahazo karatany ny any Alaotra Mangoro

Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny hetsika fizarana karatany faobe sy titra ho an’ny any Alaotra Mangoro, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny nisitraka izao hetsika izao ny tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Teo ny fizarana karatany miisa 1 164 ho […]

BFM : Vakoka mitahiry ny vola malagasy

Nifarana ny zoma teo ny fampirantiana maimaimpoana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ho fampahafantarana ny tantaran’ny vola malagasy. Hetsika izay tafiditra amin’ny famaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ ny BFM tetsy Analakely. Ny taona 1896 ka hatramin’ny 1925, ny vola Eoropeanina sy Amerikanina no nampiasaina teto Madagasikara. Nofaritana tamin’ny taona […]

Filoha Rajoelina Andry: “Hipaka any an-tokantrano ny fampandrosoana…”

Taorian’ny tany amin’ny distrikan’Ikongo sy i Betroka, nitohy tany Manakara indray ny fitokanana fotodrafitrasa sy fanampiana ny vahoaka nataon’ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany tamin’izany ny fanamby apetraky ny fitondram-panjakana. “Hitondra fampandrosoana eny ifotony isika ary tena mipaka hatrany amin’ireo kaominina sy ny tokantrano tsirairay izany”, hoy izy tao Manakara. Nisy […]

Orinasa Star: zava-dehibe ny fiarovana rehefa miasa

Laharam-pahamehana amin’ny orinasa Star, ny lafiny fiarovana ahafahan’ny mpiasa miasa, anaty tontolo azo antoka hisorohana ny loza. Misy ny fanamarinana iraisam-pirenena ISO 45 001 mandrindra izany. Misy ny paikady fanentanana tsy tapaka ny mpiasa, amin’ny fahamailoana sy ny fitandremana. Anisan’izany ny any amin’ny fibatana entana, ny fanajana ny faritry ny mpandeha […]