Toe-karena

Angovo azo avy amin’ny rano: hanampy antsika i Indonezia

Anisan’ny voafidy hananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano, iarahana amin-dry zareo indoneziana, ny kaominina Ivony, distrika Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny telo tonta, Madagasi­kara, ny South-South and Trian­gular Cooperation in Decen­tra­lised Renewable Energy (SSTC DRE -Indo­nezia) ary tohanan’ny Fiaraha-miasa alema GIZ-Perer. Hatao sonia amin’ny 1 […]

Fiarovana ny tontolo iainana: maro ny andraikitry iantsorohan’ny mpianala

Androm-pirenena ho an’ny mpianala omaly 24 jona. Tsy mbola ampy ny isan’izy ireo, raha oharina amin’ny velaran’ny ala eto amintsika, araka ny fenitra iraisam-pirenena. Misy karazany roa ny mpianala. Voalohany, ny injenie­ran’ny rano sy ny ala, miofana eny amin’ny Sekoly ambony momba ny siansan’ny fambolena Ankatso, misahana ny fandrindrana sy […]

Antenimierampirenena: volavolan-dalàna mahakasika ny hetra

Nodinihina teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ny 19 jona teo, ny volavolan-dalàna laharana 014-2024, niaraka tamin’ny teknisiana avy ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Votoatiny ny fifanarahana iraisam-pirenena ifanampian’ny sampandraharahan’ny hetra amin’ny lafiny fifanakalozam-baovao sy ara-ketra. Miisa 147 ny firenena nanao sonia ity fifanarahana ity. Tanjona amin’ilay volavolan-dalàna ny  hampitomboana […]

Tambajotra 2Africa: miara-miasa ny Airtel Africa sy ny ASN

Sampana orinasa mpamongady ao amin’ny Airtel Africa, amin’ny firenena 14, aty Afrika ny Airtel Telesonic. Nahomby ny fiaraha-miasany amin’ny orinasa Alcatel Submarine Networks (ASN), nametrahana ny randrantadim-pifandraisan-davitra (câble) matanjaka an-dranomasina 2Africa, mampifandray an’i Kenya, Tanzania ary Afrika Atsimo. Anisan’ny tambajotra goavana indrindra maneran-tany ity natao ity, mampifandray an’ i Afrika, […]