Toe-karena

Fisitrahana herinaratra: hifantohana ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina

Tafiditra ao anatin’ny tetikasam-panjakana ny fampiroboroboana ny herinaratra, indrindra ny fampiasana ny angovo azo havaozina azo avy amin’ny rano. Misy ny dinika faharoa momba ny tetikasa hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. Tanterahina mandritra ny 12 andro, eny Ampan­dria­nomby, ny dinika faharoa momba ny fampiroboroboana ny angovo azo ha­vaozina, izany […]

Africa Leadership Awards: mendrika amin’ny fahaiza-mitarika i S. Ogunsanya

Nahavita be teo amin’ny fampiroboroboana ny fifandraisan-davitra aty Afrika i Segun Ogunsanya, tale jeneraly teo aloha, Airtel Africa. Voafidy ho mendrika indrindra amin’ny fahaiza-mitarika izy. Mikarakara ny African Business Leadership Awards (ABLA) 2024, ny gazety boky ara-toekarena Africa Leadership Awards (ALM) an’ny fikambanana African Leadership (ALO). Handray ny lokany izy […]

Madagascar Airlines: mitombo tsikelikely ny sidina anatiny

Tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana, Phénix 2030, ny kaompania Madagascar Airlines ny fampitomboana ny sidina anatiny mba hamaliana ny filan’ny mpandeha amin’izao vanim-potoana fahatongavan’ny mpizahatany izao. Hiakatra 19 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania manom­boka ny 14 jona. Hitombo 26 kosa izany ny volana jolay, hanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ny mpanjifa. […]

Cacao: mitady izay tonia mpanatanteraka ny CNC

Misokatra ny fametrahana ny dosie ho an’ireo izay liana handray ny toeran’ny tonia mpanatanteraka ny filankevi-pirenen’ny cacao (CNC) eto Madagasikara. Afaka mametraka ny antontan-taratasy ao amin’ny biraon’ny CNC Ambanja sy mandefa izany amin’ny adiresy recrutementsecnc@gmail.com (dika mitovy amin’ny adiresy conseil@conseilnationalcacao.mg) ireo izay liana amin’izany. Amin’ny zoma 14 jona 2024 no […]

Fifanakalozana ara-barotra : avy eto amintsika ny akora fototra ilain’i Mayotte

Kely ny velaran-tanin’i Mayotte, na te hamokatra aza izy, ka voatery miankin-doha, manafatra aty Madagasikara. Avy aty amintsika avokoa ny 70% ny vokatra ara-tsakafo hafarany. Nilaza ny mpanorina ny vondrona Green Fish any Mayotte, Nourdine Hakim, nitarika ny delegasiona Ma­horais, nandritra ny tsenabe ara-toekarena SIAE andiany fahatelo farany teo, teto […]