Miisa dimy ireo orinasa ODOF mampiranty ny vokany eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, mandritra ny hetsika Salon international des acteurs économiques (SIAE) andiany fahatelo. Ao anatin’izany ny orinasa Ampalia izay manodina ny paoma avy any Antsirabe ho lasa Cidre. Eo ihany koa ny huilerie d’Anjozorobe mamokatra menaka avy amin’ny voanjo […]
Toe-karena
Angovo avy amin’ny masoandro: hanohana an’i Madagasikara ny ISA
Natao ny 5 jona 2024 teo, ny atrikasa mahakasika tetikasa tohanan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny angovo azo havaozina (ISA), natrehin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Olivier Jean Baptiste. Nitarika ny delegasion’ny ISA, ny Dr Barakat Ahmed, lehiben’ny fandaharanasa ho an’i Afrika, niaraka tamin’i Sudhanshu Mishra, manam-pahaizana amin’ny fitsinjarana […]
Akademia Malagasy: hisy famoronana lahatsoratra
Amin’ny alalan’ny fifaninanana no hanatanterahina famoronan-dahatsoratra. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy » no hanatanterahin’ny Akademia Malagasy ity hetsika ity. Lohahevitry ny fifaninanana ny hoe : « Ny teny malagasy, sompi-pahendrena ». Mamorona lahatsoratra mitantara fohy ny niavian’ny anaran-tanàna roa na anarana olo-malaza roa na anaran-tanana iray sy olo-malaza iray ny […]
UPFANKATIA : fahazoana olon-tiana anaty fandaharana televiziona
Sambany ho arahin’ny mpijery ny fandaharana tantara tena misy amin’ny televiziona, ilay antsoina hoe « téléréalité ». Hifaninana hahazo ny fon’ny tovolahy iray ny tovovavy miisa 12. Manana tolotra vaovao ho an’ny mpifankatia indray ny Startimes sy ny UPTV. Misy ny fandaharana «Upfankatia», mahakasika fitiavana aseho amin’ny televiziona. Vehivavy miisa 12 no […]
VAOVAO TAMBATRA
Nojeren’ny Banky iraisam-pirenena ny fanamboaran-dalana vatsiany vola. Anisan’izany ireo lalana nosimbain’ny rivodoza Gamane farany teo. Nihaona tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Andrianatrehina Ndriamihaja, ny solontenan’ny BM eto amintsika, Atou Seck, ny 5 jona teo. Miaraka hankalazaina any Toliara ny Andro maneran-tany, ho an’ny Tontolo iainana (JME) sy ny Andro maneran-tany […]