Fomba iray entina mampandroso ny firenena malagasy ny fanomezan-danja ny sehatry ny famokarana. Nanambara ny depiote Rajerison Antoine fa tokony hiezaka ny mpitondra hamerina izany fa tsy hanafatra entana lava any ivelany. “Mila hiverenana ny famokarana raha mieritreritra ny hampandroso an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy ao anatiny”, hoy ny […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 24 ny dobon-trondro any Paradisakely na Shalom Land, any Niherenana Vatomandry, toerana fanabeazana ankizy sahirana avy any ambanivohitra. Entina hanohanana ireo ankizy ny fidiram-bola avy amin’ny fiompiana trondro. Vinavinaina hamokatra trondro 34 taonina isaky ny tsingerim-pamokarana ireto dobo ireto. Mampiasa ny teknolojia faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ny ladoany malagasy.Lohahevitra nohazavain’ny […]
Etazonia : Haban-tseranana 15% ho an’i Madagasikara
Afaka miaina kely! Nampahafantarin’ny ambasadaoro malagasy any Whasington, ny zoma 1 aogositra teo, fa 15% ny tahan’ny haban-tseranana ampiharina amin’ireo entana avy aty Madagasikara miditra any Etazonia. Azo raisina fa fandresena ho antsika io fepetra io satria, efa nitaintaina mafy ireo mpandraharaha sy orinasa malagasy, manondrana entana mankany Etazonia. Misitraka […]
Delegasionin’ny Sadc : Nitsidika ny Star Ambatolampy
Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny “Herinandron’ny indostrian’ny Sadc” (SIW), ny fitsidihana orinasa. Anisan’izany ny fidinana ifotony tany amin’ny ozinina Star Ambatolampy, ny 1 aogositra teo. Fotoana nahitan’ny delegasionin’ny Sadc, miisa 50, ny firoboroboan’ny indostria eto amintsika sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Nampisehoana ny fampivoarana ny indostria mifandray amin’ny fanodinana ny vokatra eto […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita amin’ny ankapobeny ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Nandritra ny 5 volana ny fotoana nanaovana ny asa mirefy maherin’ny 10 km. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR), ka mizara 7 ny zotra natao tamin’izany. Vita ihany koa ny lalam-pirenena faha-54, mankany amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy. Vita ny 80% ny asa fananganana […]




