Nijery ifotony ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-4 ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, sy ny mpiara-miasa aminy, omaly 31 jolay. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa fampandrosoana maharitra ny lalana (PDDR) famatsiambolan’ny Banky iraisam-pirenena ny asa atao, izay mizara telo. Voalohany, ny Ankazobe-Antsiafabositra, mirefy 63,90 km. Ampahany faharoa, ny Antsiafabositra- […]
Toe-karena
Ortana : Nivoaka ny boky soridia tsidi-bohitra eto Analamanga
Tena ilain’ny mpizahatany ny mahafantatra ny toerana tsidihiny. Manamora ny diany ny boky soridia, toy ny fahita any ivelany. Nahavita dingana lehibe ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana), amin’izao 15 taona niorenany izao. Nampahafantarina omaly ny fivoahan’ny boky soridia, ahitana 128 pejy. Mirakitra ny toerana manan-danja tsara tsidihina eto amin’ […]
FIVAPOVA : Nosokafana ny zaikabe andiany fahefatra
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Toamasina, omaly, ny zaikabe Fivapova, andiany fahefatra. Efa tonga any avokoa ireo mpizaika maherin’ny 3 000 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Talohan’ny fisokafana tamin’ny fomba ofisialy, nisy ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de Police Rakotoarimanana Herilala, sy Ramatoa vadiny, Rakotoarimanana Faniry, filoham-boninahitry […]
FANTINA sy FINTINA
Atao ny fanadihadiana hanarenana ny tetezana Efasy sy Mahavavy, any amin’ny lalam-pirenena faha-6, iarahana amin’ny tetikasa PCMCI, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Manomboka ny fanomanana ny fametrahana ny fototry ny tetezamby vonjimaika ny eo amin’ny reniranon’i Mahavavy. Tsiahivina, fa simban’ny rivodoza farany teo ireo tetezana roa ireo. Manohana ny fanaovana asa tanana […]
«Salon de l’Habitat & Déstockage Pro 2025» : Mpitsidika maherin’ny roa alina no andrasana
Hotanterahina eny amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny 23 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, ny hetsika « Salon de l’habitat & déstockage pro ». Sehatra iray natokana ho an’ny matihanina sy ny olon-tsotra mitady vahaolana amin’ny fanorenana sy fanatsarana trano, izay iarahan’ireo orinasa maro mampiranty. Mpitsidika maherin’ny roa alina […]




