Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fanarenana ny lalana RN6, Antso­hihy-Ambanja. Anisan’ny asa atao ny fanamboarana ny fanarian-drano, ny fanamafisana ny sisin-dalana. Kojako­jaina ny lalana tena ratsy. Ametrahana faman­tarana manokana ny lalana asiam-panamboarana. Manao ny asa ny orinasa Colas, famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena ao anatin’ny tetikasa PCMI izy ity. Hanao lavanty ampahibemaso ny masoivoho amerikana, […]

Asa vaventy: Harenina ny orinasa SMATP

Niorina ny taona 1986 ny orinasa sinoa-malagasy misa­hana ny asa vaventy (SMATP). Maherin’ny 30% ny petrabo­lan’ny fanjakana malagasy ao aminy. Fatiantoka tanteraka no hita ao aminy, ankehitriny, miampy ny tsy fahombiazan’ ny fitantanana nandritra ny taona maro. Natao ny 5 aogositra teo ny fivoriana notarihin’ ny minisiteran’ny Toekarena sy ny […]

Orinasa QMM: 858 000 dolara ho an’ny tontolo iainana

Manana paikady manokana hanarenana ny tontolo iainana sy ho fampandrosoana ny fiarahamonina ny orinasa QMM any Taolagnaro. Voakasik’izany ny fitantanana ny faritra arovana. Misy ny fifanarahana fiaraha-miasa miisa enina eo amin’ny orinasa sy ny fanjakana malagasy. Mi­tentina 858 000 dolara ny tetibola atokan’ny QMM amin’ izany, ampiasaina mandritra ny 5 taona. […]

Menabe: Mahatratra 21 000 t ny vokatra tsaramaso

Faritra anisan’ny tena ma­mokatra voamaina toy ny tsaramaso, ny kabaro, ny voanjo, sns, ny faritra Menabe. Maha­kasika ny tsaramaso, nahatratra 21 000 taonina ny vokatra tany an-toerana nandritra ny taom-pambolena 2024, raha 10 000 taonina izany tao amin’ny distrika Miandrivazo. Ani­san’ny tena mamokatra tsaramaso ny tantsaha any amin’ny lemak’i Betsiriry, distrika Mian­drivazo. […]

Alaotra : Ady amin’ny doro tanety sy doro ala

Nitsidika ireo kaominina telo manodidina ny Faritra arovana any Alaotra: ny any Morarano Amparihitsokatra, Manga­lahala Ambandrika ary Amparihimpony Ambohidava, ny fitantanam-paritra, Dredd Alaotra-Mangoro, ny 29 jolay hatramin’ny 2 aogositra teo. Nentanina ny fokonolona manoloana ny ady atao amin’ny doro tanety sy doro ala ary ny doro zetra. Nasongadina fa manana […]