Vita ny “Herinandron’ny indostrian’ny Sadc”. Nohamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fisitrahana ny tombontsoa indostrialy ao anatin’ny tsenam-paritra. Niara-nikarakara ny “Herinandron’ny indostrian’ny Sadc (SIW 2005)” natao ny 28 aogosistra hatramin’ny 2 aogositra teo, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny governemanta malagasy, ny Tonia mpanatanteraka anivon’ny Sadc ary ny Filankevitry ny Sadc. Lohahevitra […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Nanomboka omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fanomanana ny fivorian’ny Sadc. Nihaonan’ireo mpiasam-panjakana ambony sy ny manampahaizana manokana momba ny « Drafitra stratejika ho an’ny fampandrosoam-paritra » (RISDP). Tari-dalana mamaritra ny laharam-pahamehana ao amin’ny Sadc ity RISDP ity. Distrika faha-50 notsidihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, ny any Miandrivazo, faritra Menabe. […]
Foaran’ny findramam-bola: Fampiroboroboana ny fampiasam-bola
Hatao ny 30 sy ny 31 aogositra ho avy izao, eny amin’ny Novotel Alarobia, ny hetsika Foaran’ny findramam-bola sy ny fampiasam-bola (Foire aux crédits et investissements). Tanjona ny hanapariahana amin’ny daholobe hananana vahaolana amin’ny lafiny ara-bola, sady handraisana anjara amin’ny tontolon’ny fandraharahana ho an’ny rehetra. Mikarakara ity andiany voalohany ity […]
Mahajanga: Hitarina ny seranan-tsambo
Mandeha ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Natomboka ny 7 marsa teo ny asa, ary hita ny fivoarana. Efa manomboka ny fanorenana fitahirizan’entana, magazay lehibe. Vonona sy voaomana ny fitaovana rehetra hanalavana ny fiantsonana (quai) ny fiaingana sy ny fahatongavan’ny sambo. Eo am-pananganana ny trano hatao biraon’ny mpiasa ho an’ny fitantanana […]
Lemaka Dabara: Ho voajary ny velarantany 20 000 ha
Anisan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara ny tohodrano any Dabara. Hampitombo ny voka-bary sy ny fambolena samihafa ny fahavitany. Nidina ifotony tany amin’ ny faritra Menabe sy Melaky ny minisitry ny Fambolena sy fiompiana (Minae), ny herinandro lasa teo. Anisan’izany ny lemak’i Dabara Morondava, faritra Menabe, manondraka velaran-tany 12 000 ha, amin’izao […]




