Hifarana androany ny fampiofanana tanora mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary (GRC). Fiofanana nanomboka omaly, tanterahina etsy anivon’ny QG Tanora Ankorondrano. Atrikasa karakarain’ny CCMAJ eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Ampiofanina mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary izany ireo tanora ireo. Mba hahay handray an-tanana […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Vonona hanohana antsika amin’ny famokaram-bary i Korea Atsimo. Eo koa ny indostria vaventy toy ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany ary ny fifanakalozana ara-barotra. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny masoivoho, Park Ji-Hyun sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Vita ny fanarenana ny lalana tena ratsy […]
Andranovory-Ambovombe : Natomboka ny fanarenana ny RN10
Fanamby lehibe napetraky ny filoha Rajoelina Andry ny fanombohana amin’ity taona ity ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RN10, mampitohy an’Andranovory sy Ambovombe. Efa natao ny ampahan-dalana mirefy 4 km tamin’ny alalan’ny Famatsiambola anatiny (RPI). Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, omaly, […]
Fizahantany : Fiaraha-miasa amin’ ny TSF any Frantsa
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ny «Tourisme sans frontière» (TSF). Mifantoka amin’ny lohahevitra efatra ny fiaraha-miasa. Fanamafisana ny fahaiza-manao ny ofisim-paritry ny fizahantany, amin’ny lafiny fifehezana ny tsena sy ny varotra, toy ny fikarakarana […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo: Hapetraka ny paikady vaovao ho an’ny famokarana
Tanjon’i Madagasikara ny hahaleo tena ara-tsakafo. Hametraka paikady vaovao ny fanjakana sy ny mpisehatra isan-tsokajiny, hanatrarana izany. Atao eny amin’ny CCI Ivato, omaly sy anio (23-24 janoary), ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny fanatsarana ny fambolena. Nanokatra ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nilazany fa tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Voakasik’izany avokoa ny […]