Toe-karena

Sadc: Hitondra aina vao ny Herinandron’ny indostria

Hatao ny 28 jolay hatramin’ny 1 aogositra ho avy izao, eto Antananarivo, ny hetsika « Herinandron’ny indostrian’ny Sadc » (SIW 2025), andiany faha-8. Mahatratra 400 ny mpandray anjara, avy amin’ny firenena 16 mpikambana ao amin’ny Tsenam-paritry ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc). Ma­herin’ny 50 ny mpiara-miombon’antoka sy mpanohana. Miisa 3 000 […]

Harena ambanin’ny tany : Liana amin’ny sehatry ny solika sy ny gazy i Indonezia

Vonona hampiasa vola eto Madagasikara ny mpandraharaha indoneziana. Andrasana ny fisokafan’ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao. Anisan’ny noraisin’ny mi­nisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny toeram-piasany Ampandrianomby, ny alatsinainy teo, ny delegasionina indoneziana. Nitarika azy ireo tamin’ity fitsidihana amin’ny fomba fanajana ity, ny filoha lefitry ny Antenimieram­pirenena indoneziana […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 5t/ha ny voka-bary azon’ny tantsaha nampihatra ny teknika Papriz. Nampidi-bola 300 000 Ar ny velaran-tany 10 ara, raha 80 000 Ar ho an’ireo nampihatra ny fambolena nentin-drazana. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny CFFAMMA sy ny Fofifa. Miisa 153 ny teknisianin’ny minisitera Minae nahazo fiofanana hampiofana ho an’ny tantsaha 3 966. Atao any […]

Tetikasa Kopakelatra : Aina vaovao ho an’ny tavoahangy plastika

Manana ny andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny so­sialy ny orinasa Star, ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena sy indostrialy azy. Napetra­ka ny tetikasa Kopakelatra mi­fantoka amin’ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Angonina ny tavoahangy plastika efa ni­asa, tsy anavahana marika, avadika ho vokatra vaovao azo ampiasaina indray amin’ny fiainana andavanandro. Mi­isa 133 […]

Jirama : Mitohy ny dinika amin’ny mpiasa

Nisy ny fihaonana teny amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra, omaly, mahakasika ny raharaha Jirama. Nanatanteraka izany, andaniny, ny solontena avy amin’ny fanjakana, nahitana ny ao amin’ny Holafitry ny prezidansa (ny talen’ny Kabi­netra sy ny Sekretera jeneraly), ny avy amin’ny minisitera voakasika, minisiteran’ny Fitsarana (Minjus), ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Tahirimbolam-panjakana, ny […]