Natao kaontinanta mpanondrana akora fototra hatrany i Afrika hatramin’izay, indrindra ny lafiny fambolena sy ny harena ambanin’ny tany. Hanova izany no anisan’ny tena hifantohana nananganana ny Tsenam-paritra aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc). Amin’izao hanatanterahana ny fihaonana an-tampony, andiany faha-8, eto Madagasikara izao, omen-danja manokana ny hetsika «Herinandron’ny indostrian’ny Sadc», […]
Toe-karena
Tsena andavanandro: Nihena 150 Ariary ny kapoakan’ ny vary
Mbola foto-tsakafo tsy afaka miala amin’ ny fiainan’ny Malagasy ny vary. Nahitana filatsahana ny vidin’izany eny an-tsena, araka ny fidinanana ifotony teny Antanimena. Anisan’ireo entana andavanandro ahitana fiovam-bidy ny vary. Araka ny fanadihadiana natao omaly, teny amin’ny tsena andavanandro iray, teo Antanimena, nahitana fihenana eo ho eo amin’ny 150 Ariary […]
VAOVAO TAMBATRA
Nitohy tany Momperabe, distrika Maintirano, ny fanentanana ny mpitrandraka madinika harena an-kibon’ny tany, ny 24 jolay teo. Tanjona, ny hampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna. Nampahafantarina ny lalàna, ny zon’ny mpitrandraka, ny teknika fitrandrahana sy ny fanajana ny kalitao. Tsy azo atao ny mampiasa zaza tsy ampy taona. Miasa andro […]
Ambasadaoro Pierangelo : « Tsy maintsy hajaina ny fenitra sy ny lalàna »
Nitsidika tany Toliara, nandritra ny 4 andro, ny ambasadaoro amerikana Claire Pierangelo, ny tapaky ny volana jolay teo. Anisan’ny nanatrika ireo fivoriana maro, nandritra ny Fikaonandoham-paritra ara-toekarena ho an’Atsimo Andrefana (FER) ny tenany. Maro ny tetikasa tohanan’ i Etazonia sy ny fampiasambola amerikana any an-toerana, toy ny Energy Fuels, vao […]
Taxi-Owayzz : Ampiasana niomerika ny famandrihana
Mivoatra ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny tontolon’ny fitaterana. Nampahafantarina ny 23 jolay teo, teny amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) Anosy, ny Tawi-Owayzz, rindran’asa amin’ny alalan’ny finday (application). Fitaovana vaovao ahafahan’ny mpandeha iraisam-pirenena migadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, misafidy sy mamandrika fitaterana taxi ara-dalàna mialoha. Fantatra […]




