Mitaraina manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny solika fandrehitra ireo mampiasa izany. Voatery mampihena ny vokatra jifainy ireo mpividy. Ao koa ireo nisafidy hanajanona tanteraka izany ka hiverina hampiasa ny arina fandrehitra, izay tsy mitsaha-miakatra isan-taona sy mamotika ny tontolo iainana. Mitentina 8 tapitrisa dolara ny tetibola ilain’i Madagascar Airlines ho an’ny […]
Toe-karena
Vidin-tsolika : Niakatra 200 Ar, ho an’ny solika fandrehitra
Tsy niova ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala. Nijanona toy ny tamin’ny volana marsa ny vidin’izany amin’ity volana avrily ity. Izany hoe, 5 320Ar/l ny vidin’ny lasantsy (SP 95) ary 4 970Ar/l kosa ny gazoala. Ho an’ny solika fandrehitra, niakatra 3 030Ar/l ny vidiny mihatra nanomboka ny sabotsy teo sy mandritra ny volana […]
« Branchement mora »: Very anjavona ny fanatanterahana izany
Mikatso ny fametrahana ireo kaontera ho an’ny « Branchement mora », tetikasam-panjakana ao Toamasina. Mikatona ny magazay, tsy misy ny entana mivoaka. Tsy nandray karama ko any mpiasa miisa 40 tao anatin’ny roa taona. Voalaza fa ifampizarana orinasa maro ny fanatanterahana ny tetikasa. Ny orinasa Holley Technology, tantanina teratany vahiny, no nahazo […]
Base Toliara : « Hanome asa 4 600 ny orinasa », hoy ny tale jeneraly
Tanjon’ny Base Toliara ny hisitrahan’ny mponina any ifotony ny vokatry ny fitrandrahana ataony. Anisan’izany ny famoronana asa. Tany amin’ny 40 taona lasa tany no nisy orinasa indostrialy farany tany Toliara (Sumatex, Toly, orinasa manodina menaka, hasy, sns), saingy efa nikatona avokoa. Araka ny antontanisa, manodidina ny 3 000 ny fitambaran’ny isan’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisy ny « Train pascal » hampitohy an’i Fianarantsoa sy Sahambavy, ny alatsinain’ny paka. Iray ihany ny fiaingana, amin’ny 9 ora maraina, ary hiverina amin’ny 4 ora hariva ny lamasinina. Hampitohy ny garan’ ny FCE sy Beravina amin’ny saran-dalana 2 000Ar mandroso sy miverina kosa ny « petit train », […]