Manaitra ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny HCC, ny Antenimierampirenena, ny Primatiora ary ireo minisitera maro ny Fiombonan’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny tontolo iainana OSCEC. Ho azy ireo, mila fandraisana fepetra haingana ny fitsinjovana ny harena voajanahary. Nandefa taratasy misokatra indray omaly 7 septambra, ho an’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny […]
Toe-karena
Fitaterana an-dranomamy: halalinina 2 m ny lakandranon’i Pangalana
Ela ny ela! Manomboka ny asa fanadiovana manontolo ny lakandranon’i Pangalana. Mirefy 637 km ity lakandrano ity, mampitohy an’i Toamasina, mandalo Vatomandry, Mahanoro, Mananjary, mipaka any Farafangana. Tanjona ny hahazakan’ny lakandrano sambo hatramin’ny 60 taonina. Manantanteraka ny asa ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), miaraka amin’ny Antokondraharaha […]
Fananganana fotodrafitrasa: hanohana i Kanada sy i Dubai
Natao sonia, androany, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Antenimieran’ ny Varotra avy any Kanada sy Dubai. Fifanarahana mifantoka amin’ny fampandrosoana sy ny fanatsarana ny fotodafitrasa eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa sy manampahaizana avy any Kanada sy Dubai, ny fampitana fahaiza-manao, […]
Toamasina: ho foanana ny lalan-dratsy sy ny lavadavaka
Nanao fivoriana tsy ara-potoana ny Filankevitry ny tanàna Toamasina I, nanomboka ny 31 aogositra ary nifarana ny 2 septambra teo. Nankatoavina ny hanarenana ny lalan-dratsy rehetra ao an-tampon-tanàna. Anisan’ny lahadinika nivoriana ny hitadiavana famatsiambola hanamboarana ny lalana rehetra eto an-tampon-tanànan’i Toamasina. Tafiditra ao anatin’izany ny lalana « Venance Manifatra » mampifandray ny […]
Vidin-tsolika: nisy fiakarany 200 Ar ny lasantsy SP 95
Niakatra ho 5 300 Ar ny litatry ny lasantsy SP 95, nanomboka ny sabotsy 5 septambra teo. Izany hoe, nisy fitomboana 200 Ar/l raha oharina ny vidiny teo aloha, izay 5 100 Ar/l. Tsy nihetsika ho 4 860 Ar/l kosa ny gazoala (GO), sy ny solitany fandrehitra (PL) 3 710 Ar/l. Tamin’ny fiandohan’ny volana […]





