Niakatra ny tanjaky ny herinaratra vokarin’Andekaleka taorian’ny nandatsahana orana artifisaly. Na izany aza, tsy mbola ampy ny filan’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Nandatsahana orana artifisialy, tany amin’ny manodidina an’Andekaleka, nanomboka ny alatsinainy teo ary nitohy hatramin’ny omaly. Araka ny fanazavana nomen’ny talen’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), Rakotonandraina Solofonantenaina, omaly, tsy mbola ampy […]
Toe-karena
Fenitry ny fitaovana: arahi-maso ny fampiasana angovo madinika
Tanterahina ao amin’ny Carlton Anosy mandritra ny efatr’andro ny atrikasa momba ny famolavolana ny fenitra amin’ ny fahombiazan’ny fampiasana angovo kely indrindra na « Minimum Energy Performance Standards » (MEPS). Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika nasionaly momba ny kalitao (PNQ) sy ny Paikady nasionaly momba ny fenitra […]
Fizahantany: hifantohana ny faharanitan-tsaina artifisialy
Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny sehatry ny fizahantany. Hankalazaina any Mahajanga, ny 24 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao, ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany (JMT). Lohahevitra nosafidiana ny hoe « ny niomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy entina hanavaozana ny fizahantany ». Safidy manasongadina fa fitaovana lehibe sady tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana […]
Fampiasambolam-panjakana: hifantoka amin’ny politikam-pampandrosoana
Hametraka politika nasionaly vaovao momba ny fampiasambolam-panjakana ny Governemanta. Tanjona ny hanana vina maharitra sy vokatra mivaingana ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Hiara-hiasa ny Primatiora, ny Oniversiten’ Antananarivo, ny Imatep ary ny Enam hanamafy ny fandrafetana ny politika nasionaly momba ny fampiasambolam-panjakana. Nanao sonia izany teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly, […]
Internet: hanitatra ny fisitrahana niomerika
“Kits” Starlink miisa 300 miaraka amin’ny tolotra internet maimaimpoana no hatokana ho an’i Madagasikara. Hetsika tafiditra ao anatin’ny ezaka fanitarana ny fisitrahana internet sy hampihena ny elanelana ara-niomerika. Taorian’ny fametrahana internet maimaimpoana teny amin’ny Oniversitem-panjakana samihafa, mitohy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra […]





