Toe-karena

Madagasikara: havaozina ny fiarovana ny karazan-javamananaina

Tontosa omaly, tetsy Antaninareina, ny atrikasa fanavaozana ny paikady sy drafitrasa nasionaly mahakasika ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Manamarika dingana lehibe amin’ny fandraisan’ny firenena anjara amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa maneran-tany mahakasika ny karazan-javamananaina, Kunming-Montreal, izay nankatoavina nandritra ny fivoriamben’ny Firenena mikambana momba ny karazan-javamananaina, ny volana desambra 2022, izany. Natao hampahafantarana […]

Famokarana zezika : miroso amin’ny dinika ireo mpiara-miombon’antoka

Hiantoka ny fampiroboroboana ny famokarana ny fananganana orinasa mpamokatra zezika, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ankehitriny, miroso amin’ny dinika ho fantanterahana ny tetikasa ireo mpisehatra. Fanamby apetrak’i Mada­gasikara ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Vina apetraky ny fi­tondram-panjakana ny hanangana orinasa mpamokatra ze­zika hampihenana ny fanafarana any ivelany ary ho fanamorana ny […]

Tontolo iainana : hamboly hazo any Andramasina ny Manda

Hamboly hazo ny fikambanana ivondronan’ny mpianatry ny oniversite miankina na tsia amin’ny fanjakana avy any amin’iny distrikan’Andra­masi­na na Manda. Hotanterahina ny sabotsy izao, any Andra­masina, izany. Hiara-dalana amin’izany koa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eo amin’ny mpikambana sady fitsangatsanganana rahateo, ao amin’ny espace Viser loin Andramasina. «Tanjon’ny fi­kambanana ny […]

Jono: Malalaka ny fihariana dingadingana

Kitro ifaharan’ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny jono. Midadasika rahateo ny farin-dranomasina ka azo trandrahina tsara ny harena an-dranomasina. Nampaha­fan­tatra ny dingadingana na zanga (Concombre de mer) ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert, omaly, teny Ampandria­nomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fiompiana ity karazana hazandrano ity […]

ONG Indri: Hamorona ala 15 ha any Bongolava

Namolavola tetikasa ny fikambanana ONG Indri ta­min’ny novambra 2023 teo, hamoronana ala any amin’ny faritra Bongolava. Tafiditra ao anatin’ny boky torolalana, ahitana paikady miisa 10 hampahomby ny famerenana ny ala eto Madagasikara ity tetikasa ity. Hanentanana ny mponina sy ny besinimaro hampihatra ny fomba tsara sady hitondra voka-tsoa amin’ny fambolen-kazo […]