Toe-karena

Fahasimban-dalana : niverina ny fifamoivoizana Antsohihy-Mandritsara

Niantraika tamin’ny lalana maro eto amintsika ny rotsakorana nisesy amin’izao fo­toam-pahavaratra izao, indrindra ny any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Anisan’ izany ny fahatapahan’ny lalam-pirenena RN32, nandritra ny ora maromaro, mampifandray an’Antsohihy sy Mandritsara, PK26, any amin’ny kaominina Ampombolava. Nanampy trotraka ny fahasimbana ny tsy fisian’ny fantsom-be (buse) ao ambany […]

Nosy Be : fiofanana fiompiana trondro

Anisan’ny faritra manana loharano ny any Nosy Be. Misy ny paikady raisin’ny fanjakana entina hampiroboroboana ny fiompiana trondro. Mampiavaka azy, maimaimpoana ny fiofanana satria tanjona ny hahafahan’ny rehetra hisehatra amin’ ny lalam-pihariana trondro. Maromaro ny fandaharam-potoana any Nosy Be. Misy ny fiofanana ho an’ny fiompiana trondro an-dobo, ny fanatavezana trondro, […]

Amoron’i Mania : miroborobo ny fambolem-bary ara-teknika sy ny fiompiana tantely

Mampiasa ny teknikam-pambolena vary Papriz ny 80%-n’ny tantsaha any Ilaka Centre. Miroborobo koa ny seha-pihariana tantely any Kianjandrakefina. Mpamboly sady mpiompy avokoa ny 80%-n’ny mponina any amin’ny kaominina Ilaka Centre sy Kianjandrakefina, samy ao anatin’ny distrika Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Laharam-pahamehana ho an’ny minisitry ny Fam­bolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona […]

Toekarena manga: tohana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena

Natao omaly 2 febroary, teny Ampandrianomby, ny fivoriana ara-teknika niarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) sy ny Banky iraisam-pirenena. Nanatanteraka izany ny teknisiana avy amin’ny roa tonta, niresaka ny voarakitry ny Paikadim-pirenena ny toekarena manga eto Madagasikara. Anisan’ny nisongadina ao anatin’ity paikadim-pirenena ity ny fisian’ny komity marolafy mandrindra […]