Nihatsara ny fanondranana nikela sy kobalta nataon’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona. Lasa 3,7% sy 27,6% izany noho ny fiakaran’ny vokatra 9,4% sy 60,2%. Na izany aza, mbola ambany, izany hoe, 5,2% sy 20,4% ny vidiny noho ny fitobahan’ny vokatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mitotaly 3 008,5 tapitrisa dolara […]
Toe-karena
“Aéro-Expo 2025”: Fampahafantarana ny sidina ana habakabaka
Hatao ny 31 mey sy ny 1 jona ho avy izao ny “Aéro-Expo 2025” eny amin’ny tobin’ny Tafika ana habakabaka sampana helikopitera Ivato. Hetsika karakarain’ny Tafika ana habakabaka, ka mpiara-miombon’antoka manohana azy ny orinasa Yas Madagasikara. Tanjona ny hampahafantarana ny tontolon’ny sidina ana habakabaka. Ao anatin’izany ny asa sy ny […]
Fifanakalozana ara-barotra-Zlecaf : Omena vahana ny orinasa tsy miankina
Hampitomboina ny fandraisan’ny orinasa tsy miankina anjara ao anatin’ny faritra ara-barotra malalaky ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Hapetraka ny paikady hampiroboroboana ny fifanakalozana enti-manatanteraka izany. Ankehitriny, manomana ny fidiran’i Madagasikara amin’ny maha firenena faha-49 ao amin’ny tsenan’ny Zlecaf ny fitondram-panjakana. Dingana ho an’ny fankatoavana sy hampahafantarana ny fizotry ny fifanakalozana ary […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 389 ny mpikambana ao anaty fikambanam-behivavy sy mpamokatra any amin’ny kaominina Tanandavana Station any amin’ny lemak’i Bas Mangoky nahazo fitaovam-pamokarana, ny 19 mey teo. Tohana avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Bad, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena izy ity. Vita tanteraka ny lalana mirefy 4,9 km sy ny vahilava Kiembe, mirefy 1,8 […]
« Rallye des industries »: Manana iray volana hiomanana ireo mpifaninana
Hampita ireo fahalalana rehetra sy torohay samihafa ho an’ny fanomanana mafonja ny fifaninana « Rallye des industries » ireo indostria mpiahy ny oniversite miisa sivy. Hisy ny fitsidihana ifotony ny orinasa, fifanakalozana amin’ireo matihanina sy fanentanana amin’ny lanjan’ny indostria mandritra ny iray volana (hatramin’ny 20 jona). Ankoatra izay, hiofana amin’ny fandraisam-pitenenana, fanaovana […]




