Nahatratra 370 510 taonina ny vary nafarantsika tao anatin’ ny 10 volana voalohan’ny taona 2023. Nihena izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 599 603t ny taona 2022, nandritra io vanim-potoana io. Izany hoe, fihenana manodidina ny 229 093t, araka ny tatitra navoakan’ny mpanara-maso ny vary (ODR). Anisan’ny nampiakatra ny taham-pamokarana ny fiakaran’ny […]
Toe-karena
Tetikasa APEMBA: hampiroboroboina ny famokarana eto Madagasikara
Hampitomboina ny famokarana apemba sy voanjo ary bajiry eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny tetikasa “Apemba ». Hisy ny fikarohana manokana hijerena ny fanatanterahana izany sy ho an’ny fanodinam-bokatra ho tombontsoan’ny tantsaha. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny governementa amerikanina “Feed the future” ny tetikasa “Agricultural Project for enhancing Sorghum, Milet and Peanuts business Activity […]
Madagasikara : nitombo 65% ny mpizahatany
Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Nahatratra 65% ny taham-piakaran’ny fahatongavan’ny mpizahatany ny taona 2023. “Efa manakaiky ny tamin’ny taona 2019, mialoha ny covid-19 ny antontanisa, noho ny ezaka nataon’ireo mpisehatra sy ny mpandraharaha samihafa ao anatin’ny tontolon’ny fizahantany”, hoy ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka ny Confédération du tourisme […]
Hampiasaina ny niomerika : ho vita ao anatin’ny adiny 3 ny fikarakaran’ny ladoany
Hitondra fiovana goavana ny eny amin’ny sampandraharahan’ny haban-tseranana, mahakasika ny fanafarana na fanondranana entana any ivelany. Nitondra fanazavana ny tale jeneraly (DGD), Lainkana Zafivanona, omaly, fa miisa 31 ny tetikasa entina hanavaozana ny fitantanana ao amin’ny ladoany, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF) maro iraisam-pirenena, maherin’ny 20, efa nanomboka […]
75 taona niorenana : nahazo ny mari-pahalalana ISO 9001 ny tranopirinty Niag
Tsy mitsahatra mivoatra ny orinasa tranopirinty Niag. Dingana vaovao hiatrehany ny hoavy ny nahazoana ny mari-pamantarana ISO 9001-2015, mifanandrify amin’ny faha-75 taona niorenany. Anisan’ny sangany eto Madagasikara ny orinasa Tranopirinty vaovao sy ny sehatry ny grafika (Niag). Nanangana azy ny taona 1949, Andriantsitohaina Charles. Tsy nitsahatra nivoatra ity orinasa malagasy […]