Nohamafisin’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa Base Toliara, ao amin’ny distrika Toliara II (Ankilimalinike, Tsianisiha, Maromiandra ary Belalanda), ny fanohanany ny orinasa Base Toliara. Nambaran’ny ben’ny Tanàna Maromiandra, i Felix, fa nanohana hatrany ity tetikasa ity ny tenany hatramin’ny nanombohany mandrak’ankehitriny. Nanao antso avo ho an’ny Base Toliara izy mba tsy […]
Toe-karena
Madagascar Airlines : Mampiasa fiaramanidina dimy ho an’ny sidina anatiny
Mampiasa fiaramanidina dimy, ankehitriny, ny Madagascar Airlines handrakofana ny sidina anatiny. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny ATR 72 iray faharoa amin’ny loko ahafantarana ity kaompania nasionaly ity. Taorian’ny fiovam-pitantanana nisy teo anivon’ny Madagascar Airlines ny volana janoary 2024, zara raha fiaramanidina roa amin’ny enina hananan’ny […]
MVola-GMW : Fanabeazana ara-bola ho an’ny tanora sy ny ankizy
Nokendren’ny orinasa MVola manokana ny tanora sy ny ankizy mahakasika ny fanabeazana ara-bola, nandritra ny hetsika Herinandron’ny vola na « Global Money Week » (GMW), natao ny 18 hatramin’ny 23 marsa teo. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny atrikasa ny fikambanana Maison des Enfants Vasakosy sy ny mpianatry ny EPP Sabotsy Namehana. Nampianarina tamin’ny […]
Fondation Hiroshi Uchida: Mpianatra miisa dimy nahazo vatsim-pianarana
Natolotry ny Fondation Hiroshi Uchida-Daiho, ny alatsinainy 31 marsa teo, ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa dimy. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity, lasa dimy ny mpisitraka raha 3 teo aloha, sady nampiakarina ho 1 500 000 Ar ny vatsim-pianarana, raha 1 000 000 Ar tamin’ny taon-dasa. Izay mpianatra mendrika no anisan’ny masontsivana […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 300 ny mpiasan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, nanao Hetsika tanamaro (Himo), omaly. Nisy ny fanadiovana nanomboka teny Antaninarenina hatrany Tsaralalana. Hetsika nanatsarana ny endriny ny tanàna sady handraisana ireo vahiny hiatrika ny fivoriamben’ny COI eto Antananarivo. Hatao ny 21 na 22 avrily ho avy izao ny hetsika fanindroany. Higadona androany […]