Toe-karena

Toamasina: hamokatra herinaratra 53 MW ny Spat

Hanorina orinasa mamokatra herinaratra, Spat Ener­gie ny eo anivon’ny Orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa PMLP-T, ka hananganana toby manokana hamokatra herinaratra 53 MW, izany. Hamatsy herinjiro izay ilain’ny seranan-tsambo sady hanampiana ny famatsian’ny Jirama sy ireo orinasa ao Toamasina ny tetikasa. Efa notinapaky ny filankevitry […]

Banky Foiben’i Madagasikara: manangon-kevitra ho an’ny « taxonomie verte »

Tanterahina mandritra ny iray volana ny dinika fifanakalozan-kevitra iarahana amin’ny Banky foiben’i Madagasikara. Mahakasika ny « Taxonomie verte » na ny tetikasa sy asa ara-toekarena mahafeno ny fepetra maitso izany. Manokatra dinika fanakalozan-kevitra amin’ny besinimaro miomba ny volavolan-drafitra «Taxo­nomie verte» ny Banky foiben’ i Madagasikara (BFM). He­tsika atao hametrahana ny […]

Orinasa Malto: tantsaha 20 000 mivelona amin’ny fambolena Orge

Feno 50 taona ny orinasa Malto, sampan’ny orinasa Star Madagasikara. Mamatsy ny malta, akora avy amin’ny zavamaniry orge, ampiasain’ ny Star amin’ny fanamboa­rana ny zava-pisotro labiera ity orinasa ity. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fambolena sy ny famoronan-karena eto Madagasikara. Miasa any amin’ny faritra Vakinankaratra, Matsiatra Am­bony ary Amoron’i Mania […]

Fifanakalozana ara-barotra: hitohy hatramin’ny taona 2028 ny Agoa

Hisitraka ny tombontsoan’ny African Growth and Opportunity Act (Agoa) hatramin’ny 2028 i Madagasikara. Fanapahan-kevitra tapaka taorian’ny latsabato nataon’ny Parlemanta amerikanina, ny 1 septambra teo, izany. Lany nandritra ny latsabato nataon’ny Parlemanta amerikanina, tamin’ny isa 370 no ho 48 ny volavolan-dalàna “HR 6 500” hanohi­zana ny African Growth and Opportunity Act, hatramin’ny […]