Toe-karena

« Foaran’ny fromazy »: Fampiroboroboana ny vokatra vita malagasy

Manodidina ny 7 litatra isan’olona isan-taona ihany ny fanjifana ronono eto Madaga­si­kara. Mila ezaka be ny fampitomboana ny famokarana sy ny fanjifana. Anisan’ny antony hanatanterahina ny 22 hatramin’ny 25 jolay ho avy izao, etsy amin’ny zaridainan’Anta­ni­narenina, ny Foaran’ny fromazy aty afovoantany, FFHT (Foires aux fromages des Hautes Terres), andiany faha-3, […]

Fampivoarana ny niomerika: Miara-miasa ny Fom sy ny Clood

Vita sonia ny alakamisy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fikambanan’ny orinasa malagasy (Fom) sy ny Clood Madagascar, mpikambana ao amin’ny Fom. Fiaraha-miasa hanohanana ny fanovana niomerika ho an’ireo mpikambana. “Miantsehatra amin’ny développement numérique ny Clood. Tanjona ny hanampy sy hanome tantsoroka ireo mpandraharaha sy hitondra vahaolana ara-niomerika mifanaraka amin’ny filany […]

ANMCC : Hentitra amin’ny kalitaon’ny vokatra amidy

Nivoitra nandritra ny fifanakalozan-kevitr’ireo mpandraharaha mpanafatra ronono mandry (lait concentré) sy “creamer” sy ny Fahefana nasionaly misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) ny fampiharana ny fepetra fiarovana ny vokatra sy ny mpanjifa. Ho hentitra ny fanaraha-maso ialana amin’ny fandikan-dalàna. Fihaonana nanazavana ny fampiharana ny fepetra fiarovana ara-barotra sy nihainoana ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Fitaovana ahafahana miroso amin’ny sehatry ny matihanina ny fananana kolontsaim-pandraharahana. Nampiofana izany ho an’ireo mpianatra taona faharoa miisa 22 (eo anelanelan’ny 14 ka hatramin’ny 18 taona), avy ao amin’ny Collège agricole Manganoro, disitri­kan’Ambatondrazaka, ny ekipan’ny DIRIDSP. Tanjona ny hahafahan’ny tanora miatrika am-pahatokisana sy am-pahombiazana ny fandraharahana miandry azy ireo aorian’ny […]

Airtel money-Baobab Bank : Azo atao ny fifanakalozam-bola niomerika

Nitondra zava-baovao eo amin’ny tontolon’ny fifanakalozam-bola niomerika ny Airtel Money Madagasikara sy ny Baobab Banky. Vita sonia, omaly, ny fiaraha-miasa ahafahan’ny mpanjifan’ny roa tonta mifanakalo vola, mandefa na misintona vola. Mora ampiasaina, tsy mila fivezivezena, haingana, tsy mifidy fotoana, ora na andro, fa azo atao foana. Amin’ny alalan’ny finday no […]