Nentin’ny tetikasa GecBatan tany Anja sy Tsaranono, faritra Matsiatra Ambony, naka traikefa, ny fikambanan’ny Vondron’olona ifotony (VOI ) any amin’ny Nosy Sakatia, Nosy Be. Hitan’izy ireo maso ny fahombiazana amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana. Tanjon’ny tetikasa Gec-Batan ny hisian’ny fitantanana maharitra mitondra fampandrosoana ny Faritra arovana sy hisitrahan’ny […]
Toe-karena
Karazam-bary Besalohy: mety amin’ny faritra rehetra, mamokatra 6t/ha
Dingana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny fambolem-bary eto Madagasikara ny famolavolana ny karazam-bary vaovao “Besalohy”. Vokatra azo avy amin’ny fiaraha-miasan’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra (Fofifa) sy ny Japan International Research Center for Agricultural Sciences (Jircas) izy io. Tsara kalitao sy miavaka amin’ny endriny ary ny fofony ny vokatra […]
Minisitry ny Varotra: “Miainga avy eny ifotony ny fampandrosoana”
Fanatsarana ny lalana. Nivoitra izany nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Andrimadison Haingotiana, tamin’ireo ben’ny Tanàna ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, tao Antanimasaka, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo kaominina 19, ao amin’ny distrikan’ Ambatolampy. Samy nilaza ny hetahetany avy ireo ben’ ny Tanàna, saingy niraisan’ny […]
Tranombarotra Cosmos: mpanjifa 66 nahazo loka tamin’ny Tombola
Natao ny sabotsy 29 aogositra teo ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpanjifa tsara vintana nandray anjara tamin’ny Tombola nokarakarain’ny tranombarotra Cosmos. Nanomboka tamin’ny 8 jona hatramin’ny 19 jolay ny fandraisana anjara ho an’izay nividy entana tao amin’ny tranombarotra Cosmos miisa 22 manerana ny Nosy, ka eto Antananarivo ny 9 […]
LFI 2027: laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa ara-toekarena
Natao omaly, teto Antananarivo, ny Fikaonandoham-paritra ho an’ny tetibola 2027, ho an’ny faritra Analamanga. Amin’ny ankapobeny, hatao laharam-pahamehana ny fanavaozana sy ny fananganana fotodrafitrasa ara-toekarena. Tanterahina manerana ny faritra 24 ny Fikaonandoham-paritra ho an’ny tetibola 2027 mba handraisana ny filàn’ny mponina eny ifotony amin’ny fampandrosoana. Ho an’ny faritra Analamanga, nojerena […]





