Manodidina ny 33 500 ha ny velaran-tany harenina ao anatin’ny tetikasa PLAE VI. Manodidina ny 20 000 ireo tokantrano hisitraka asa mivantana, mahatratra 22 300 ha kosa ny velaran-tany voajary tamin’ny fanaovana voly hazon’olon-tsotra, voly hazo ho ala kaominaly. Ao anatin’izany ireo ala fiarovana, ala vadimboly ary ny toeram-piraofana nohatsaraina. […]
Toe-karena
Orange digital Center: Dingana ho an’ny fampiroboroboana ny nomerika
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia ireo ny trano vaovaon’ny Orange Digital Center, etsy amin’ny gara Soarano. Dingana lehibe amin’ny fampidirana sy fanavaozana nomerika eto Madagasikara ny ataon’ny Orange Madagascar. Nanohana talenta malagasy an’arivony teo amin’ny sehatry ny nomerika ny Orange Digital Center Madagascar nanomboka ny taona 2022, teny amin’ny […]
FCEM: Hampivelatra ny fandraharahan’ny vehivavy
Hitondra tombontsoa maro ho an’ny vehivavy mpandraharaha malagasy ny fikaonandohan’ny vehivavy mpandraharaha maneran-tany (Comité Mondial des Femmes Chefs d’Entreprises). «Ahafahan’izy ireo miditra anatina tambazotrana vehivavy mpandraharaha eto an-toerana sy any ivelany. Hampitombo ihany koa ny traikefa sy ny fahalalany ary ny hampivelatra ny eo amin’ny sehatrasany eto an-toerana sy any […]
Fanatanterahana ny tetikasa Volobe : Manolotra hatramin’ny 700 tapitrisa euros ny orinasa EDF
Manolo-tanana an’i Madagasikara amin’ny fanangananana ireo fotodrafitrasa ho an’ny tetikasa Volobe ny orinasa frantsay EDF. Mahatratra 700 tapitrisa euros ny famatsiam-bola omeny. Vita sonia teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha, ny alarobia teo, ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny fanjakana frantsay amin’ny alalan’ny orinasa EDF Renouvelables International sy ny tetikasa Volobe. Tafiditra ao anatin’ny asa […]
VAOVAO TAMBATRA
Maro ny ezaka vita sy mbola atao amin’ny sehatry ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny hetra sy ny fadintseranana, ny fanavaozana ny fandaniam-bolam-panjakana, ary ny fanatsarana ny fitantanana sy fandrindrana ny risika ara-bola. Vonona hanome tantsoroka ara-teknikna an’i Madagasikara ny Sampan-draharaha misahana ny fitantanam-bola (FAD) eo anivon’ ny FMI. Tsy mitsaha-mitotongana ny […]