Toe-karena

Fiarovana ny ranomasina: mifanome tanana ny FAO sy ny MPEB

Hampihena ny fandotoana an-dranomasina sy ady amin’ ny “pêche fantôme”. Ireo no votoatin’ny tetikasa tohanan’ny FAO, iarahany amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Kendrena ny hampiroborobo ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy ny toekarena manga. Nikaondoha sy nampahafantatra ny fivoaran’ny tetikasa fanamafisana ny fitantanana ireo fitaovam-panjonoana nilaozana, […]

Vontovorona: nosoloina ny tariby mitondra herinaratra mirefy 400 m

Misitraka famatsian-jiro araka ny tokony ho izy ny mponina eny Vontovorona. Tanteraka izany satria nosoloina vaovao daholo ny tariby mitonda herinaratra ao an-tanàna. Efa antitra daholo ny tariby mitondra herinaratra eny amin’ny tanànan’i Vontovorona, kaominina Ala­kamisy Fenoarivo. Miantraika amin’ny famatsian-jiro isan-tokantrano izany, satria, mi­dina sy miovaova ny tanjaky ny herinaratra, […]

Fambolena: nalaina ny sosokevitry ny tanora

Natao ny alatsinainy 31 aogositra teo, teto Antana­narivo, ny fakana ny hevitr’ireo tanora hisehatra amin’ny famokarana sy ny fambolena. Nikarakara azy ny minisite­ran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Lohahevitra noraisina ny hoe: «Tanora tsara fiomananaamin’ny fandraharahana ara-pambolena». Nambaran’ny minisitra, Ramindo Gaëtan, fa «mametraka ny tanora hiditra amin’ny famokarana sy […]

Papriz 4: hifantohana ny fanodinana indostrialy

Mitohy ny fiaraha-miasa! Natao sonia ny 31 aogositra teo ny fifanarahana eo amin’ny Antokondraharaha japoney ho an’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Jica) sy ny governemanta malagasy. Mirakitra ny tetikasa fampiroboroboana sy ny fanodinana indostrialy ny sehatry ny vary, andiany faharoa, antsoina hoe Papriz 4 izy io. Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny […]