Toe-karena

Tambajotra RIA-Jirama : Mihena ny haavon’ny riandrano ao Andekaleka sy Mandraka

Tsy ampy ny herinaratra vokarin’ny Jirama eto Antananarivo, vokatry ny fihenan’ny haavon’ny riandrano any amin’ny tohodranon’Andekaleka sy Mandraka. Vahaolana ny hampiasana ny milina mpamokatra mandeha amin’ny solika. Nitondra fanazavana ny talen’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA), Rakotonandraina Solofonantenaina, momba ny tsy fahampian’ny herinaratra amin’izao fotoana izao. Tsara kokoa ny zava-misy, ankehitriny, raha […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 16 jolay ho avy izao, etsy amin’ny efitrano FJKM Anosizato sy ny 17 jolay, etsy amin’ny Kianja mitafo Mahamasina ny fakan-kevitra am-pahibemaso momba ny tetikasa Fly Over hatsangana eny Anosizato. Dingana mahakasika ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, omen’ny ONE izany. Hanatanteraka ny fananganana ity fotodrafitrasa ity ny orinasa CGC. […]

Airtel-SpaceX : Azo ifandraisana any amin’ny toerana rehetra

Mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra voalohany eto Madagasikara, mampiasa ny teknolojia Direct-to-Cell, ny Airtel Madagasikara. Miara-miasa amin’ny orinasa Spa­ceX. Zava-baovao ifandraisana amin’ny finday Smartphone 4G, amin’ny alalan’ny zana-bolana, raha sendra toerana mitoka-monina tsy misy tambajotra an-tanety, izy io. Ifandraisana amin’ny alalan’ny vidéo amin’ny Whatsapp. Nahomby ny andrana natao tany amin’ny kaominina Sadabe, […]

Fotodrafitrasa an-tsekoly: Manova ny fiainan’ny mpianatra

Miisa 27 ireo sekoly manaraka ny fandaharanasa fitaratra, « Mianatra », tarihin’ny Vara Mada, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Global Communities. Tetikasa izay haharitra 14 volana. Famatsiam-bola mitentina hatrany amin’ny 1,3 tapitrisa dolara. Tanjona ny hanova sy hanatsara ny tontolon’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fanomezana tohana ara-tsakafo sy fotodrafitrasa mamaly ny filan’ny […]