Toe-karena

GEM-MEDEF International : Hanamafy ny fiaraha-miasa stratejika

Hamafisina ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin’ireo orinasa malagasy sy frantsay ho an’ny tombontsoa ara-toekarena. Hapetraka ny tondrozotra handrindrana ny asam-pampandrosoana ny toekarena. Tafapetraka omaly ny tondrozotra hanatanterahana ireo asa hampandrosoana ny fandraharahana sy ny toekarena eto Mada­gasikara. Nanolotra izany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny « minisitre des Outre-mer » […]

VAOVAO TAMBATRA

Lany avokoa ny tahirin-tsolika teny amin’ny manodidin’Ambohitrarahaba sy Analamahitsy, omaly. Nananosarotra ny fitadiavana izany ho an’ny mpanjifa. Hatreto, tsy mbola nisy fanazavana mahakasika ny zava-nisy saingy nampitaraina ny rehetra izany, indrindra ho an’ireo tratra hariva. Ahina ho olan’ny famatsiana amin’izao vanim-potoana ny fety izao ny tranga niseho. Arahi-maso akaiky ny […]

Anjozorobe: Mponina 1 285 nisitraka rano fisotro madio

Antoky ny fampandrosoana ifotony ny fisitrahana rano fisotro madio. Nahazo ny anjarany, tamin’alalan’ny fi­kam­banana Amitié Mada­gascar Ile de France (Amif), ny fokontany Antanetibe, Ala­kamisy ary ny Lisea ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Notokanana tany an-toerana, ny alakamisy teo, ireo fotodrafitrasa goavana, ahitana fitahirizan-drano 15m 3, ny tambajotram-pamatsian-drano ho an’ireo paompy sy ho […]

« Spring meetings »: Hojerena ireo tombontsoam-pirenena

Tanterahana manomboka omaly, any Washington DC, ny fivoriambe karakarain’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny filankevi-pitantanan’ny vondron’ny Banky iraisam-pirenena « Spring meetings». Fotoana iray hifanakalozana hevitra momba ireo tombontsoan’ny firenena tsirairay. Lohahevitra amin’ity andiany ity ny hoe «L’emploi: la voie de la prospérité ». Ho resahina manokana ny mahakasika ny toetry ny […]

FOJAEB andiany faharoa: Tanora afrikanina miara-manorina toekarena manga

Fototra iorenan’ny fampandrosoana ny toekarena manga ny tanora, amin’ny alalan’ny fandraharahana sy fandraisana andraikitra mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena. Fandraharahana. Fototry ny fampandrosoana anio sy ho an’ny hoavy ny tanora. Nivoitra izany nandritra ny hetsika « Forum des jeunes africains sur l’économie bleue » (Fojaeb) andiany faharoa, tao Toliara, ny 17-19 avrily lasa […]