Toy ny fanaon’ireo sambo mpiady Indianina manefa iraka aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana, niantsona ao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana ny sambo mpiady INS Sharda, ny 17 hatramin’ny 20 novambra 2023 lasa teo. Misy hatrany ny fifandraisana amin’ireo tomponandraikitra amin’ny fandalovan’izy ireo toy izao satria mandritra ny fiantsonan’ireo mpitsabo ao anatin’izany sambo izany […]
Toe-karena
Tetikasa Produir : mitohy ny fiarovana ny vahilava Ikopa sy Sisaony
Manomboka ny volana oktobra hatramin’ny avrily ny fotoam-pahavaratra eto amintsika. Azo tsapain-tanana ny fanamafisan’ny tetikasa Produir, ny vahilava, mirefy 5 km manamorona ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, manoloana ny rivodoza tamin’ny fiandohan’ny taona 2023 teo. Saingy mbola anisan’ny namela takaitra ny oram-be tamin’ny taona 2022. Nisy ny asa vonjy taitra tsy […]
Manakara : nomena zanatrondro 23 000 ny mpiompy
Ampiroboroboina any Manakara, faritra Fitovinany, ny fiompiana trondro an-dobo. Manohana ny mpiompy mivantana ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Fitovinany. Naterina tany Manakara, ny 20 novambra teo, ny trondro fakana taranaka sy zanatrondro ary sakafo. Miisa 59 ny trondro lehibe tilapia, fakana taranaka (vavy 32, lahy 27) […]
Indostria malagasy : tafarina ny orinasa Sirama
Mbola mijoro ny orinasa Siramamy malagasy (Sirama) na nijanona tsy namokatra nanomboka ny taona 2004 aza, ka niteraka fatiantoka hatrany amin’ny 58 miliara ariary. Nisedra olana goavana ny orinasa Sirama nandritra ny taona maro. Tafakatra amina miliara maro ny fatiantoka teo anivon’ity indostria malagasy ity. Nihena, nanaraka izay, koa ny […]
Fampiroboroboana ny indostria : tafatsagana ny filankevitra nasionaly
Nitsangana afakomaly, tetsy amin’ny EDBM Antaninarenina, ny filankevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (CNIM). Dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny fifanekena momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria, natao sonia teo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ny 31 Jolay 2023, ny fametrahana ny CNIM”, hoy ny […]