Natao omaly 17 sy anio 18 avrily, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny hetsika miompana amin’ny «Fanodinana ny fako ho lasa vokatra hafa azo ampiasaina indray», andiany faharoa. Am-polony ny tranoheva mandray anjara, ahitana orinasa vaventy, antonony, hatramin’ny madinika indrindra sy vao misondrotra. Nisantatra ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Tombanana any amin’ny 15,93% ny asa vita fanarenana ny lalampirenena RN18 (Vangaindrano-Befotaka). Anisan’izany ny eo amin’ny PK0 hatrany amin’ny PK136. Efa nahitana vokatra tsara ny fanamboarana ny ampahany tena ratsy (PK17+500). Namboarina ny lakandrano sy ny «dalot», ifehezana ny fikorinan’ny rano, indrindra ny PK5+500. Mamatsy vola ny asa ny fanjakana […]
Fanodinana: Vokatra azo avy amin’ ny volontsangana
Maro ny vokatra azo avy amin’ny volontsangana. Anisan’ny orinasa tena madinika misehatra amin’izany ny orinasa Moi Ecolo, natsangan-dRakototiana Santatra sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Niorina ny taona 2019, mifototra amin’ny famokarana vokatra avy amin’ny volontsangana. Maro ny vokatra vitan’izy ireo, toy ny kojakoja fanahazan-damba (pinces), sotrobe manokana fandoaran-tsakafo (spatule), boatikely, zavamaneno […]
Ravinala Airports: Mandeha ny fanavaozana ny seranan’Ivato
Mihazakazaka ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Hitarina ny fiantsonan’ny fiaramanidina. Mitohy ny fanatsarana hanaraka ny toetrandro ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Taorian’ ny fotodrafitrasa hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, miditra amin’ny fanitarana ny arabe fiantsonan’ny fiaramanidina (Tarmac) indray ny Ravinala Airports, ankehitriny. Tanjona ny hahafahana mandray fiaramanidina vaventy karazany maro. […]
VAOVAO TAMBATRA
Tsy ao anatin’ny faritra hotrandrahin’ny Base Toliara ny ala ahitana baobab. Nohamafisin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine, izany, omaly. Nohazavainy fa « any amin’ny Faritra arovana, alan’i Tsimanapetsotsa no ahitana ity hazo ity, izay an-jatony kilometatra, andehanana an-tongotra roa andro any ho any ». Diso, araka izany, ny filazan’ireo manohitra ny […]