Nisongadina tamin’ireo 35 nifaninana ireo tetikasa 16 mendrika sy voafantina nandritra ny fifaninanana nasionaly momba ny fahitanavao. Fifaninanana niompana tamin’ny sehatry ny angovo, ny fanodinana sy fanamboarana vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny fanodinana vokatra eto an-toerana ity natao ity. Miavaka sy mitondra vahaolana mifandray amin’ny filan’ny Malagasy […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Ho hatsaraina ny fomba fandoavana ny faktioran’ny Jirama amin’ny finday, Mobile Money. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny Jirama, ny Orange Money, ny Airtel Money, ny MVola ary ny Vaomiera mpanadihady parlemantera, hanatsarana ny fomba fiasa amin’ity fandoavam-bola amin’ny finday ity. Maro loatra mantsy ny fitarainan’ny mpanjifa, milaza fa efa voaloa […]
Banky Foiben’i Madagasikara: Hametraka toeram-panangonana volamena
Miisa efatra ireo toeram-panangonana volamena hatsangan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) tsy ho ela, dia ny ao Ambilobe, Maevatanàna, Mananjary ary Miandrivazo. Ireto farany izay faritra anisan’ny be volamena eto Madagasikara. Tanjona ny hampitomboana ny tahirim-bolamena sy hanamafisana ny fanaraha-maso ny sehatra. Kendren’ny BFM ny hampiditra ireo mpitrandraka madinika ho eo […]
Pôle Entrepreneuriat : Tohana ho an’ny tanora manana tetikasa
Hotanterahina ny 29 aogositra, eny amin’ny Unipod Tsimbazaza, ny Pôle entrepreneuriat 2026, hetsika natokana ho an’ireo tanora sy manana hevitra ka mikasa ny hamadika izany ho lasa tetikasa azo tanterahina. Karakarain’ny Maison de l’entrepreneuriat, hampivondrona ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny hetsika. Hisy tranoheva fampahafantarana, lohahevitra ho voaboasana, atrikasa, “Coaching” […]
Fambolena orge : Niakatra ny hetra « droit d’accise » amin’ny labiera
Akora fototra amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera ny zavamaniry orge. Nihena ny fambolena satria niakatra ny hetra « droit d’accise » alaina aminy. Mangataka ny tokony hijerena manokana ny olana sedrain’izy ireo, ireo mpamboly orge any amin’ ny faritra Amoron’i Mania. Anisan’izany Randrianantenaina Solondraibe Jean, mpamboly orge any Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania. Nohazavainy […]





