Toe-karena

Fitandroana ny tontolo iainana : Mihatra ny didim- panjakana Mecie vaovao

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny didim-panjakana fampifanarahana ny fampiasam-bola amin’ny tontolo iainana (Mecie), laharana 2025-080, nivoaka ny janoary 2025. Miandraikitra azy ny Ofisim-pirenena ho an’ny tontolo iainana (ONE). Fitaovana lehibe ho an’ny fampifandanjana ny fampiasam-bolan’ny orinasa sy ny fiarovana ny rohy voahary, ny hatsaram-piainana ara-tsosialy […]

Tohana avy amin’ny Base Toliara: Nodiovina ny lakandrano manondraka velarantany 3 000 ha

Mitohy ny fanohanan’ny tetikasa Base ny velon-tenan’ny mponina ao amin’ny kaominina miisa 5, Toliara II. Anisan’izany ny fanadiovana ny lakandrano Andoharanomamovoky. Manohana ny tantsaha ny orinasa Base To­liara. Nanomboka oma­ly ny Fandaharanasa ho an’ny mponina eny ifotony, nanadiovana ny lakandrano Andoharanomamovoky, any Tsianisiha sy Ankilimaliniky, amin’ny alalan’ny asa tanamaro (Himo). […]

Famatsiam-bola FEC sy FRD : Nahazo fankatoavana avy amin’ny FMI

Nanara-maso ny fanatanterahana ny masontsivana napetraka ny desambra 2024 ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Niaraka nanao fanambarana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fi­tantanam-bola (MEF), ny Ton­to­lo iainana (Medd), ny Ango­vo (MEH), ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ary ny iraky ny FMI, ny 14 avrily teo. Voalaza fa nahazo ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mihodina tsara ny Foibe CFFAMMA any Antsirabe. Toerana manamboatra fitaovam-pambolena sy famokarana maro samihafa, madinika sy salantsalany, toy ny fiasana tany na angadin’omby, fihavana tanimbary, fivelesam-bary, fanetsana, … Eo koa, ny milina fitotoam-bary na voamaina (voanjo, katsaka, soja, voanemba, ….). Mampiofana mahakasika ny fambolena sy ny famokarana ihany koa ity […]

RN6 : Misokatra ny fivilian-dalana ao Ifasy

Niverina misokatra ny fifamoivoizana eo amin’ny fivilian-dalana ao Ifasy (PK 537), amin’ny lalam-pirenena faha-6, mampitohy an’Ambondromamy sy Antsiranana, nanomboka omaly atoandro, 15 avrily. Natao hivezivezen’ny olona sy ny fiara ity lalana ity, mandritra ny vanim-potoana maintany, re­hefa midina ny haavon’ny rano. Ampiasaina kosa ny fiampitana « bac » rehefa fotoan’ny orana, satria […]