Manan-danja amin’ny Fiaraha-miasa alemà (GIZ) ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara mba hisian’ny fampandrosoana. Nahatratra 1 707 ha ny tontolo ala voajanahary narenina, avy amin’ny tetikasa notohanan’ny GIZ, nampihena ny fandripahana ny ala sy ny doro ala manodidina ny faritra Arovana (AP). Nilaza […]
Toe-karena
Ankorondrano : Tanora 100 miatrika fiofanana momba ny loza ara-boajanahary
Hifarana androany ny fampiofanana tanora mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary (GRC). Fiofanana nanomboka omaly, tanterahina etsy anivon’ny QG Tanora Ankorondrano. Atrikasa karakarain’ny CCMAJ eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Ampiofanina mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary izany ireo tanora ireo. Mba hahay handray an-tanana […]
VAOVAO TAMBATRA
Vonona hanohana antsika amin’ny famokaram-bary i Korea Atsimo. Eo koa ny indostria vaventy toy ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany ary ny fifanakalozana ara-barotra. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny masoivoho, Park Ji-Hyun sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Vita ny fanarenana ny lalana tena ratsy […]
Andranovory-Ambovombe : Natomboka ny fanarenana ny RN10
Fanamby lehibe napetraky ny filoha Rajoelina Andry ny fanombohana amin’ity taona ity ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RN10, mampitohy an’Andranovory sy Ambovombe. Efa natao ny ampahan-dalana mirefy 4 km tamin’ny alalan’ny Famatsiambola anatiny (RPI). Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, omaly, […]
Fizahantany : Fiaraha-miasa amin’ ny TSF any Frantsa
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ny «Tourisme sans frontière» (TSF). Mifantoka amin’ny lohahevitra efatra ny fiaraha-miasa. Fanamafisana ny fahaiza-manao ny ofisim-paritry ny fizahantany, amin’ny lafiny fifehezana ny tsena sy ny varotra, toy ny fikarakarana […]




