Toe-karena

Festival « samontabe »: mampifandray ny mpisehatra an-dranomasina

Manan-karena hetsika isan-karazany ny faritra Diana raha tsy hitanisa fotsiny afa-tsy ny festival « Donia », « Sômarôho » izay samy mampalaza an’i Nosy-Be. Ao koa ny  festival « Sôrogno » mampiavaka an’Ambanja, ny hetsika « Mananjeba » ao Ambilobe ary ny hetsika « Vagnono » ao Anivorana- Antsiranana II. Notontosana tao Antsiranana, ny sabotsy teo, ny festival “Samontabe”, andiany […]

Volamena: misokatra ny fahazoan-dalana hanondrana any ivelany

Anisan’ny mampiodina ny toekarena malagasy ny fanondranana volamena sy ny fampodiana vola vahiny azo avy amin’izany. Misokatra ny fanondrana saingy misy ny fepetra tsy maintsy arahina. Nanambara ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa efa misokatra ny fangatahana fahazoan-dalana hanondrana any ivelany. […]

Orinasa Ambatovy: nanolotra jiro miisa 375 

Nisitraka hazavana sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny kaominina manodidina ny ozinin’ny orinasa Ambatovy ao Toamasina. Tamin’ny volana jolay teo, jiro mandeha amin’ny masoandro 375 no nomen’ny orinasa ho an’ireo fianakaviana monina ao amin’ny kaominina Fanandrahana, Amboditandroroho ary Toamasina Suburbaine. Ireto farany izay samy manodidina an’ity orinasa goavana ity […]

Fandraharahana: hanome tohana 450 000 dolara ny BAD

Ho mafy orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpandraharaha, amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Business Linkage Program (BLP)” eto Madagasikara. Io ny tanjon’ny Banque Africaine de développement (BAD) sy ny BNI Madagascar. Mifototra amin’ny tosika sy  fifandraisan’ny PME ary ny orinasa vaventy ny tetikasa. Araka izany, manome tohana mitentina 450 000dolara ho […]

Famindrana ny labatoara: tafakatra  30 000Ar ny vidin-kena

Lasibatry ny savorovoro eny anivon’ny labatoara ao Toamasina ny mpivaro-kena sy ny mpanjifa. Nifampitadiavana ny hena rehetra hatramin’ny zoma teo.  Nisahotaka ny tanànan’i Toamasina nanomboka ny zoma teo. Mananosarotra ny fitadiavana ny henan’omby, ny henan-kisoa, ny henan’ondry ary ny henan’osy hatramin’ny akoho, ao an-toerana. Vokatry ny fitokonana nataon’ny mponina tsy […]