Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Tsy mitsaha-mitotongana ny Ariary miohatra amin’ny dolara, tato anatin’ny iray volana. Nisanda 4 685 Ar ny 1 dolara, omaly 13 desambra, raha 4 645 Ar ny 13 novambra. Nahazo aina kely, nidina ho 4 883 Ar kosa ny 1 euro, omaly, raha 4 917 Ar ny 13 novambra. Nahatratra 7,8% kosa ny salanisan’ny fidangan’ny […]

“The Climate Show” : Entanina ny tanora hiaro ny tontolo iainana

Hotanterahina voalohany eto Madagasikara, ny 16-17 ary 18 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny “The Climate Show”. Hetsika karakarain’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) hanentanana ny tanora handray andraikitra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. « Ho avin’ny firenena ny tanora. Adidintsika ny mampisehatra azy ireo amin’ny fampandrosoana […]

Fanatsarana ny jono madinika : Tratra ny tanjona ho an’ny C3 Madagascar

Nahomby ny fitantanana sy ny asa vitan’ny tetikasa « Conservation centrée sur la communauté » (C3) Madagascar, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Ecofish, vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola, any amin’ny faritra avaratra, nandritra ny efa-taona. Nisehatra tamin’ny fitantanana maharitra ny jono madinika tamina faritra telo tany an-toerana ny tetikasa. « Nofanina manokana ny mpanjono mba hahazoana […]

Base Toliara : Maro ny tetikasa hatao any ifotony

Tanjon’ny orinasa Base Toliara ny mba tena hipaka amin’ny mponina any ifotony ireo tetikasa hataony. Singanina amin’izany ny fanatsarana ny velon-tena, ny sosialy, ny tontolo iainana. Nihaona tamin’ny mpanao gazety any Toliara ny mpitantana ny orinasa Base Toliara, omaly, an­koatra ny efa natao teto Antananarivo, taorian’ny nilazan’ny fanjakana ny fisokafany […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita hatrany amin’ny 40% ny fanamboaran-dalana ao Antsirabe Renivohitra. Voakasik’izany ny lalana Le Myre de Villers, ka mirefy 2 km ny nasiam-panamboarana. Hatao godirao koa ny lalana eo Ampatana hatreny amin’ny farmasia Vakinankaratra, raha rarivato sy « béton » ny eny amin’ny sampanana Zaodahy mankany Ambohimena. Natao ny 10-12 desambra teo ny […]