Ambany ny tohodrano mpamokatra herinaratra ka mitarika amin’ny tsy fahampian’ny vokatra tsinjaraina eo amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Voatery mampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby ny Jirama. Mampimenomenona ny olona anefa ny fahatapahan-jiro amin’ny alina noho ny olan’ny tsy fandriampahalemana Mitotaly 35 600 ireo mpizahatany tonga nitsidika ny tahirin-javaboahary Analamazaotra, Andasibe, nanomboka ny volana […]
Toe-karena
Famokarana : Hampandroso ny Rafitra ara-tsakafo
Atao eto Antananarivo, ny 17 sy 18 desambra, ny atrikasam-pirenena stratejika momba ny Rafitra ara-tsakafo. Miompana amin’ny hitondrana fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ny lahadinika, araka ny fanamby natao nandritra ny Fivoriana an-tampon’ny Rafitra ara-tsakafon’ny Firenena mikambana (FAO), ny taona 2021. « Ataon’i Madagasikara laharam -pahamehana ny rafitra ara-tsakafo, hanatsarana ny fahasalamana, […]
Fiakaran’ny vidim-bary : Miato ny fitateram-bokatra avy any Toamasina
Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary amin’izao fotoana. Tsy mitovy avokoa ny vidiny isaky ny tsena, indrindra ny vary gasy. «Niato kely ny fitaterana avy any Toamasina saingy efa am-pandinihana izany ny minisitera. Hapetraka ihany koa ny paikady handrindrana ny vidiny, hamaliana ny hetahetan’ny Malagasy ka halamina mialoha ny fety izany», hoy ny […]
WMG : Nivoaka ny andiany “Tsimoka”
Notolorana mari-pankasitrahana tetsy amin’ny foiben’ny Wednesday Morning Group (WMG) Ambatoroka ireo mpianatra 16 mirahavavy, omaly. Andiany faharoa, nosalorana ny anarana Tsimoka, izy ireo. Nahavita ny fiofanana maimaimpoana mahakasika ny tontolon’ny zaitra nandritra ny 9 volana izy ireo. Avy amin’ny fianakaviana sahirana avokoa ireo vehivavy nisitraka ny fiofanana eo anivon’ny fikambanana. […]
Coalition faim zéro: Hifampizara traikefa ireo mpikambana
Tanterahina eto Madagasikara mandritra ny dimy andro, ny 16 ka hatramin’ny 20 desambra, ny atrikasa hanafainganana ny fanavaozana ny rafitra ara-tsakafo manerana an’i Afrika, izay misy ny Vondrona firenena manohitra ny mosary (Coalition faim zéro). Mpikambana ao i Bénin, ny Repoblika demokratikan’i Kongo (RDC) ary i Madagasikara. Hetsika hanamafisana ny […]




