Toe-karena

Angovo azo avaozina : napetraka ny centrale solaire manana tanjaka 2,4 MWC

Notokanana ny sabotsy teo ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Antsiranana. Olona aman’aliny no hisitraka ity fotodrafitrasa lehibe ity. Ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiasana ny angovo azo avoazina mba hisitrahan’ny daholobe herinaratra. Napetraka ao Ankorikihely, kaominina am­banivohitra Ramena, distri­kan’Antsiranana faha-II, ny sabotsy teo, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ ny […]

Banky foibe-MMRS : tanjona ny hanondrana volamena iray taonina isam-bolana

Natao, omaly, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) sy ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS). Tanjona ny hanatsarana ny lafiny hanondranan’i Madagasikara volamena any ivelany. Nohatsaraina ny fifana­raha fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS), sy ny […]

Fifanakalozana ara-barotra : hiaraka hiasa i Madagasikara sy Israely

Hisokatra amin’ny firenena Israelianina ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasi­kara. Maro ireo mpandraharaha israelianina maniry hitady lalambarotra eto amintsika. Manana tany midadasika i Madagasikara raha manana fahaiza-manao sy traikefa maro azo ampiharina eo amin’ ny sehatry ny angovo, ny fampiroboroboana ny indostria, ny niomerika, ny fambolena sy ny fiompiana ary fizahantany […]

Tetikasa Papriz 3 : mihoatra ny 5t/ ha ny taham-pamokaram-bary

Nanao tomban’ezaka momban’ny famokaram-bary tamin’ny alalan’ny tetikasa Papriz, 3 natao teto Madagasikara, ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana, omaly, teny Antaninarenina. Tsara ny vokatra, mihoatra ny 5t/ha ny taham-pamokarana izay azo tamin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanofanana teny ifotony niarahana tamin’ireo tantsaha mpamokatra. “Nisy ny fanamafisana sy fampitomboana ny fampiofanana izay […]