Nahita marimaritra iraisana ny fitondrana malagasy sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Hidina ny vidin-tsolika manomboka anio: lasa 5700 Ar ny lasantsy, 4760 Ar ny gazoala. Tsy araka ny fahita hatramin’izay! Rehefa hatao ny fandalinana rehetra, azo tanterahina tokoa ny mampidina ny vidin-tsolika, na eo aza ny fidangan’ny vidim-piainana. Hanamarinana izany, […]
Toe-karena
Tetikasa “Meca Mama”: hampianarina mekanika ny vehivavy
Mitsinjo manokana ny vehivavy sy tovovavy sahirana, reny tsy manambady, ny “Meca Mama”, tohanan’ny Tahirim-bola «La Francophonie avec Elles» avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia (OIF). Miisa 25 izy ireo no misitraka ny tetikasa, novolavolain’ny ONG HSS sy ny BTC, izay fampiofanana mandritra ny enim-bolana, mahakasika ny mekanikana fiara […]
Toekarena manga: ambany ny vokatra drakaka eto amintsika
“Tsy maharaka ny filana ny hazandrano drakaka eto Madagasikara raha oharina amin’ny tinady maneran-tany”, hoy ny minisitry ny Jono sy toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, ho an’ny taona 2024. Manodidina ny 4 250 taonina (t) ny drakaka naondrantsika izay tokony hampitomboina hamaliana ny tsena iraisam-pirenena. Paikadin’ny minisitera hanatrarana izany ny […]
Tetikasa Lac Iarivo: antenaina hitondra ny anjara birikiny ny tanora mpandraharaha
Tetikasa lehiben’ny fanjakana ny toerana fialamboly Lac Iarivo eny Ivato. Vonona hanome ny heriny sy ny fahaizany ny tanora mpandraharaha. Maherin’ny 100 ny tanora mpandraharaha niarahaba sy nirary soa ny filoha Rajoelina mivady, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nitondra feo azy ireo Ravelojaona Kanto, tomponandraikitry ny orinasa Zà-Tours Madagasikara. Nambarany […]
Fanaraha-maso: hampiasaina ireo toby fandanjana fiarabe
Nahitana tsy fahatomombanana ny toby fandanjana fiarabe any Antsarakofafa Toamasina, satria mando lava ny toerana ka mila fitaovana fanampiny. Eo am-panatanterahana ny tolobidy hividianana izany fitaovana izany, ankehitriny, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena (tetikasa PDDR) sy ny Tahirim-bola ho an’ny lalana (FR). Misy koa ny drafitry ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) hanarenana […]