Toe-karena

« Fahitanavao » : Tetikasa 16 ho tohanana hitondra vahaolana

Nisongadina tamin’ireo 35 nifaninana ireo tetikasa 16 mendrika sy voafantina nandritra ny fifaninanana nasionaly momba ny fahitanavao. Fifaninanana niompana tamin’ny sehatry ny an­govo, ny fanodinana sy fanamboarana vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny fanodinana vokatra eto an-toerana ity natao ity. Miavaka sy mitondra vahaolana mifandray amin’ny filan’ny Malagasy […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho hatsaraina ny fomba fandoavana ny faktioran’ny Jirama amin’ny finday, Mobile Money. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny Jirama, ny Orange Money, ny Airtel Money, ny MVola ary ny Vaomiera mpanadihady parlemantera, hanatsarana ny fomba fiasa amin’ity fandoavam-bola amin’ny finday ity. Maro loatra mantsy ny fitarainan’ny mpanjifa, milaza fa efa voaloa […]

Banky Foiben’i Madagasikara: Hametraka toeram-panangonana volamena

Miisa efatra ireo toeram-panangonana volamena ha­tsangan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) tsy ho ela, dia ny ao Ambilobe, Mae­vatanàna, Mananjary ary Miandrivazo. Ireto farany izay faritra anisan’ny be volamena eto Madagasikara. Tanjona ny hampitomboana ny tahirim-bolamena sy hanamafisana ny fanaraha-maso ny sehatra. Kendren’ny BFM ny hampiditra ireo mpitrandraka madinika ho eo […]

Pôle Entrepreneuriat : Tohana ho an’ny tanora manana tetikasa

Hotanterahina ny 29 aogositra, eny amin’ny Unipod Tsimbazaza, ny Pôle entrepreneuriat 2026, hetsika natokana ho an’ireo tanora sy manana hevitra ka mikasa ny hamadika izany ho lasa tetikasa azo tanterahina. Karakarain’ny Maison de l’entrepreneuriat, hampivondrona ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny hetsika. Hisy tranoheva fampahafantarana, lohahevitra ho voaboasana, atrikasa, “Coa­ching” […]