Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Hikorontana ny famatsiana herinaratra manomboka rahampitso ka hatramin’ny 22 oktobra, eto Antananarivo sy ny manodidina. Hisy ny asa fanamboarana sy fikojakojana fotodrafitrasa ho ataon’ ny orinasa Jirama. Tafiditra ao anatin’izany ny fano­loana taribian-jiro simba, fananganana andrin-jiro ary fandratsanana hazo. Tanjona ny hanatsara ny kali­taon’ny tolotra sy ny fitsinjarana ny herinaratra. […]

Orange Madagasikara : Ahodina ho vokatra vaovao ny fako plastika

Manana ny tetikasa « Mia­ra-manamaitso ny tontolo » ao anatin’ny Fandraisana andraikitry ny orinasa (RSE) eo amin’ ny fiarahamonina ny orinasa Orange Madaga­sikara. Natao ny 8 hatramin’ny 10 oktobra, nitohy ny 12 sy 13 oktobra teo, ny hetsika « Tanàna madio miaraka amin’­ny Orange », fanadiovana tanàna sy ny teto amin’ny boriboritany enina eto […]

Andapa-Sambava : Toby riandrano hamo­katra herinaratra 8 MW

Hanomboka amin’ity taona ity ny fananganana fotodrafitrasa hamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano any Belaoko Lokoho, faritra Sava. Hanana tanjaka 8 MW ity toby ity, hamatsy fokontany miisa 117, ao amin’ny distrika Andapa sy Sambava. Hamatsy ny tambajotran’ny Jirama ao amin’ireo distrika roa ireo ihany koa. Hisy toby herinaratra avy amin’ny […]

Tetikasa SHEP : Tohana ho an’ny famokaran’ny tantsaha maro

Tantsoroka ho an’ny tantsaha sy nanavao ny teknikam-pamboleny ny tetikasa “Smallholder Horticole Empowerment and Promotion” (Shep). Tsara ny vokatra ka nahafahany namaly ny filan’ny tsena sy nampitombo ny fidiram-bola. Tosika ho an’ny tantsaha sy hampitomboina ny vola miditra aminy ny tetikasam-pamokarana mitodika amin’ny tsena na ny Shep. Tanjona ny hitondra […]

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 400 tapitrisa Ariary isan-taona ny vola ampiasaina amin’ny fampitaovana ny lafiny fifamoivoizana ana habakabaka any amin’ny seranam-piaramanidina Sainte Marie. Mitantana azy ny orinasam-panjakana Adema, miara-miasa amin’ny rafitra iraisam-pirenena afrikana Asecna Dakar. Tonga tao amin’ny serananam-piaramanidina Sainte Marie, ny alatsinainy 12 oktobra teo, ny fiaramanidina Labo, hanadihady sy manao […]