Toe-karena

Fambolena orge : Niakatra ny hetra « droit d’accise » amin’ny labiera

Akora fototra amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera ny zavamaniry orge. Nihena ny fambolena satria niakatra ny hetra « droit d’accise » alaina aminy. Mangataka ny tokony hijerena manokana ny olana sedrain’izy ireo, ireo mpamboly orge any amin’ ny faritra Amoron’i Mania. Anisan’izany Randriana­nte­naina Solondraibe Jean, mpam­boly orge any Ambato­finandrahana, faritra Amoron’i Mania. Nohazavainy […]

VAOVAO TAMBATRA

Mandray anjara amin’ny World Water Week-end any Stockholm i Madagasikara. Fifanakalozan-kevitra mifantoka amin’ny fanamby sy vahaolana ho an’ny sehatry ny rano, fanadiovana ary fidiovana izy ity, indrindra ny anjara toeran’ny tanora sy ny fikojakojana fotodrafitrasa. Nohamafisin’i Madagasikara ny fahavononany hiara-kiasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho fanatrarana ny ODD 6, momba ny […]

Tetibola 2027: Hirosoana ny fitsinjaram-pahefana ara-tetibola

Natomboka tany Miarina­rivo, Faritra Itasy, ny 21 aogositra teo, ny fikaonandoham-paritra momba ny tetibola (CBR 2026). Tanjona ny ha­nanan’ny faritra anjara toeana lehibe ao anatin’ny Tetibolam-panjakana 2027. Natao izany, hamaliana ny filàna sy ny laharam-pahamehana eny ifotony. Hampifandraisana bebe kokoa ny zava-misy sy ny fandrindrana ny tetibolam-panjakana ankapobeny, hifandraika amin’ny […]

Bezaha: Mpisehatra ara-piompiana 30 vaovao

Nahavita ny fiofanany mahakasika ny famokarana sy ny fahasalaman’ny biby (APPSA) ireo mpisehatra miisa 30 any amin’ny kaominina Bezaha, Faritra Atsimo Andrefana. Naharitra 21 andro ny fiofanana, ka ho lasa eo ambany fiahiana sy fanaraha-mason’ny dokoteram-biby na veterinera izy ireo. Novatsiana fitaovam-piasana tsirairay avy ireo mpisehatra, toy ny bisikileta, vatakely […]

Banky iraisam-pirenena : Manolo-tanana hampiroborobo ny sehatra tsy miankina

Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena, hampivoarana ny fandraharahana sy hanohanana ny indostria malagasy. Nifampidinika momba ny handrindrana ireo asa iarahana amin’ny te­ti­ka­sa Pôles intégrés de croissance (Pic) ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny minisitry ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Ny Riana […]