Toe-karena

Fambolena: hamokatra vary 5.600 taonina fanampiny ny lemak’i Marovoay

Hitombo hatrany amin’ny 5.600 taonina ny famokaram-bary ao Marovoay aorian’ny fahavitan’ny lemaka any an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny tan­jon’ny fahavitan-tena ny fampiroboroboa ny famokaram-bary eto Madaga­sikara. Andrasana hamoka-bary 5.600t fanampiny ny lakandrano lehibe ao amin’ny secteur 4,5,6 ao Marovoay. Hanondraka velaran-tany 7.235ha ny lakandrano aorian’ ny fahavitany ka tantsaha mpamboly hatrany […]

Taom-pambolena 2023-2024: nisitraka masomboly ny tantsaha mpamokatra

Mitohy ny fanampiana ny tantsaha ao anatin’ny tetikasa “PURPA” tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (MINAE), ho an’ny taom-pamokarana 2023-2024. Tantsaha 168, avy ao amin’ny kaominina Belo amoron’i Tsiribihina, no nisitraka masomboly, voanjo fleru 11 voafantina, milanja 4,704 taonina sy zezika NPK 3,360 t ary zezika biolojika 16,800 t. Ankoatra […]

Ady amin’ny kolikoly : mananika ny 190 ireo firenena miara-misalahy

Miara-misalahy amin’ny ady amin’ny kolikoly amin’izao fotoana izao ny firenena 190. Tafiditra anatin’izany i Madagasikara. Misandrahaka manerana ny firenena maro ny fisian’io tranga kolikoly io. Voakasika izany avokoa ny ankamaroan’ny sehatra miankina sy ny tsy miankina. Ny fanararaotam-pahefana, ny fanaovana tsolotra eny anivon’ny sampandraharaha maro samihafa. Tsy mijanona amin’ny firenena […]

Sofia sy Betsiboka : kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha

Mitohy ny fanokafana ny taom-pamokarana 2023-2024, sady fizarana kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha, ao anatin’ny tetikasa Purpa, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nisitraka ny azy ny faritra Sofia sy Betsi­boka, ny herinandro lasa teo. Ho an’ny faritra Sofia, miisa 131 ny tantsaha any amin’ny kaominina Tanam­bao, Matsa­bo­rilemby, Tsara­hasina ary Port-Bergé, […]