Toe-karena

Asa tanana sy haitao : fototry ny fanarenana fihariana

Mampiroborobo ny toekarena malagasy ny fanomezan-danja ny asa tanana sy ny fanodinana ny fako ho vokatra azo ampiasaina andavanandro. Tafiditra anatin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina. “Tokony homena lanja ny asa ta­nana malagasy noho i Madagasikara mbola voasokajy ho anisan’ny firenena tsy manana indostria”, hoy Rabetsialonina Moustane, […]

Airtel : Avahana ny fako

Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (JME), ny 5 Jona 2023 ny vondrona Airtel. Ani­san’ny hifantohany ny fiparitahan’ny fako plastika mandoto ny tontolo iainana. Maro ny hetsika nataony eo anivon’ny orinasa. Toy ny fampiasana vera tavoahangy ao am-piasana, fametrahana fitoeran-drano sotroina azo ampiana fa tsy […]

« Foire internationale de l’agriculture » : hampiroborobo ny fifanakalozana ny andiany fahadimy

Hiompana betsaka amin’ny fikolokoloana sy fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra (Eco responsable) ny « Foire internationale de l’agricul­ture, de l’élevage et de la pêche » (FIA), amin’ity andiany fahadimy ity. Hatao ny 21 hatramin’ny 24 septambra izao eny amin’ny parc des expos, Forello Tanjombato, ny hetsika. Tanjona ny hamory […]

Antenimierampirenena : lany ny Code minier

Nodinihina ary nolaniana fanindroany teo anivon’ny Antenimierampirenena, nandritra ny fivoriambe, omaly alarobia 7 jona, ny volavolan-dalàna laharana faha-005/ 2023, tamin’ny 12 avrily 2023, izay manavao ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany (Code minier). Nekena ary nolanian’ny solombavambahoaka avokoa ireo andininy sivy sy toko iray nitondran’ny Antenimierandoholona fanovana sy fanitsiana. […]

Tontolo iainana: loharanom-bola ny fanodinana fako

Azo avadika ho harena ny fako enti-mamelona tokantrano sy olona maro. Tafiditra indrindra izany amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana sy anatin’ny toekarena maitso. Anisan’ny dingana iray anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fanentanana sy fampahafantarana ny momban’ny fahapotehan’ny zava-mananaina sy ny tontolo iainana. Tafi­ditra anatin’izany ilay hetsika “Ode ry […]