Natolotra omaly, teny Andraharo, ny lokan’ireo tsara vintana rehetra amin’ny «lalao’ tsika» andiany fahefatra nokarakarain’ny Yas Madagascar. Hetsika anisan’ny andrasan’ny mpanjifa isan-taona ny «lalao’tsika». «Natao hizarana fanomezana ho an’ny mpanjia sy hampahafantarana ny tolotra rehetra misy eo amin’ny Yas Madagascar ny lalao», hoy ny tomponandraikitry ny orinasa, Andriambololoniaina Riantsoa. Tamin’ity […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Hotanterahina ny 1 marsa ny “Tropic Awards 2025”. Hetsika hanomezana loka an’ireo mpanentana (influenceurs) eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny sakafo. Manome lanja ny vokatra malagasy sy mampahafantatra an’i Madagasikara eto an-toerana sy any ivelany ireto mpisehatra ireto hampiroboroboana ny seha-pihariana. Nankatoavina ny fomba fanao tsara amin’ny fambolena kafe […]
Arabe migodana : Hamatsy vola ny tapany faharoa ny Badea
Misy sahady ny vokatra, nandritra ny dian’ny filoha Rajoelina Andry any Dubai, nanatrika ny fivoriambe WGS 2025. Nankasitrahin’ny filohan’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana –Badea, i Sidi Ould Tah, ny tetikasan’ny filoha Rajoelina Andry, hanamboatra arabe migodana, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Nambarany, fa fotodrafitrasa goavana hanova ny firenena malagasy ity […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo : Nampivoatra ny fomba famokarana ny Sanoi
Nahomby ny fanavaozana ny fomba famokarana, notohanan’ny fandaharanasa Sanoi. Voakasik’izany ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ka anisany i Madagasikara. Nanomboka ny taona 2021 ary nifarana tamin’ity 2025 ity ny fandaharanasa Tantsoroka ho an’ny fanjarian-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Sanoi). Namolavola azy ny Vondrona ranomasimbe Indianina (COI), notohanan’ny Vondrona eoropeanina […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 10 000 ny zana-kazo honko nambolena, tamina velaran-tany 5 ha, tany Antalaha, fokontany Ambalavontaka, kaominina Ankatafana, distrika Manajary, ny 6 febroary teo. Manamorona ny Lakandranon’i Pangalana ity toerana ity, ka nampifandrifiana ny fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo 2025 ho an’ny faritra Vatovavy, sady fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny faritra mando rahateo. […]