Vonona hiara-hiasa amin’ ny firenena indianina hatrany i Madagasikara ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy hijerena ireo sehatra stratejika ahafahan’izy ireo mampiasa vola. « Ilana ny fanavaozana ny fotodrafitrasan’ny fitaterana sy ny angovo, izay laharam-pahamehana napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa indianina izany », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy […]
Toe-karena
Sidina anatiny : Hihena hatramin’ny 73% ny sarany
Fihenam-bidy. Hihena hatrany amin’ny 73% ny saran’ny sidina anatiny ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Tolotra manankery ho an’ireo mividy tapakila hatramin’ny 23 febroary, araka ny fanambarana nataony. Noho izany, manomboka amin’ny 353 500Ar ny saran’ireo sidina rehetra. Tolotra natao ho an’ireo mamandrika tapakila eo anelanelan’ny volana mey 2024 ka hatramin’ny volana avrily […]
« WGS 2025 »: Karohina ny vahaolana hitondra fampandrosoana
Hamaritra ny tontolon’ny hoavy hisian’ny fampandrosoana ny fivoriambe “WGS” any Dubaï. Karohina ny vahaolana iombonan’ny rehetra manoloana ny fihazakazaky ny teknolojia. Nisokatra ny talata 11 hatramin’ny 14 febroary ny Fivoriambe farantampon’ny governemanta maneran-tany (WGS 2025), andiany faha-12, atao any Dubai, Emirats Arabo Mitambatra (EAU). Fihaonambe, mifototra amin’ny lohahevitra hoe «ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa nampidinina eo amoron-drano ny takelaby (bac), hamerenana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-6. Voakasik’izany ny eo amin’ny fivilian-dalana Reniranon’Ifasy (PK 537) sy Mahavavy (PK 568). Mialoha ny hampiasana azy, eo am- pametrahana ny toerana misy ny mpamily (cabine de pilotage). Efa any an-toerana koa ny tomponandraikitra hisahana ny fampandehanana azy […]
Bombetoka-Belemboka.: Faritra arovana vaovao, mahaliana ny mpizahatany
Natao ny 20 janoary 2025 teo, tany Mahajanga, ny fampahafantarana manokana ny lanjan’ny fizahantany any amin’ny faritra arovana vaovao (NAP) Bombetoka-Belemboka. Nikarakara ny fotoana ny Ofisim-paritry ny fizahantany Boeny (ORTB). Mampiavaka azy ny fananany ala honko, sy zavatra samihafa azo tsidihina. Toerana 30 km miala an’i Mahajanga, amin’ny RN4. Ahitana […]