Toe-karena

Fanaingana ny toekarena : Ifantohana ny fampidiram-bola anatiny

Nitondra fanazavana nanoloana ny solombavambahoaka, teny Tsimbazaza, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, ny alatsinainy teo. Nifantohana ny Tetibola nasiam-panitsiana « LFR 2026 ». Nihena ho 3,8% ny fitomboan’ny Harinkarena faobe raha toa ka 4,8% no novinavinaina tamin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana “LFI 2026”. Nahatonga izany […]

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka miakatra sahady ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fetin’ny asaramanitra izao. Lasa 850 Ar ny vidin’ny atody raha toa ka mbola 700 Ar izany teo aloha. Mananika ny 9 800 Ar ihany koa ny vidin’ny menaka eny amin’ireo mpamongady, raha toa ka efa mahatratra 10 000 Ar izany […]

Tohodranon’i Soanala : Niakatra avo roa heny ny voka-bary

Manondraka velaran-tany 2 026 ha ny tohodrano vaovao any amin’ny kaominina Soa­nala, faritra Anôsy. Nahavi­tana izany ny tetikasa Mionjo, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Afaka mamboly indroa, isan-taona, ny tan­tsaha any an-toerana, ankehitriny. Mahatratra 4 800 ny tantsaha misitraka ity fotodrafitrasa ity. […]

Alliance pour la vanille de Madagascar : Manokana 40% ny tetibolany hividianana lavanila

Hividianana lavanila voakarakara ny 40% ny volan’ny Alliance pour la vanille de Madagascar (AVM). Tapaka izany nandritra ny fivoriana voalohan’ny filankevi-pitantanana tany Antalaha sy Sambava, omaly. Fanapahan-kevitra natao hitrohana ireo tahirim-bokatra be loatra ka mampitotongana ny vidin’ny lavanila ny vahaolana napetraka. Natao izany hanarenana ity seha-pihariana sy miantoka fidiram-bolan’ny mpamokatra […]