Toe-karena

LR Group-SESA: Fambolena indostrialy amina 10 000 ha

Vita sonia ny 25 mey teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), notarihin-dRazanamahefa Tahian’Ny Avo, sy ny orinasa israelianina LR Group, nosoloin’i Ami Lustig tena. Hapetraka ny ivontoeram-pambolena « Agro­pole », mirefy 5 000 ha, hambolena vary, sy 5 000 ha hafa hamokarana katsaka. Teknolojia mahaleo tena hiaka farany no […]

E-Ariary: Vola malagasy niomerika amin’ny endriny vaovao

Hanamora ny fampiasam-bola niomerika, natao ho an’ny rehetra ary amin’ny sandany mora kokoa ny fanavao­zana entin’ny Banky foiben’i Madaga­sikara momba ny rafitra ara-bola. Vahaolana amin’ ny fi­lana andavanandron’ ny mponina izy io ary mampihena ny fikirakirana vola. Nosokafan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Lapan’ ny tanànan’Antananarivo, […]

VAOVAO TAMBATRA

Hamokatra rano 4 800m3 fanampiny isan’andro ny “groupe de secours” hapetraka ao Nosy Be. Tanjona ny hamenoana ny tsy fahampiana 1 600m3 isan’andro ao an-toerana. Himasoana ihany koa ny fa­noloana ireo paompy sy kojakoja efa simba. Ha­vaozina ny rafitry ny famatsian-drano hanatsarana ny famokarana ao amin’ity nosy manitra ity. Tanterahana […]

DG Zafivanona Lainkana : Fitaovana mahomby ny « Intelligence Artificielle »

Natao ny 12 sy ny 13 mey teo ny fihaonambe iraisam-pirenena, «Forum Innovate the Future 2025». Notonto­saina tany Dubai, Emirats Arabe Unis (EAU) nokarakarain’ny orinasa Webb Fontai­ne, miompana tamin’ny fikarohana mahakasika ny varotra iraisam-pirenena. Fotoana nihaonan’ny mpanapa-kevitra amin’ny ladoany sy ny seranan-tsambo aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodinihina ny lanjan’ny teknolojia […]