Tokony haverin’i Madagasikara alohan’ny janoary 2027 ny rafitra fanitsiana ny vidin-tsolika, araka ny sosokevitra navoakan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), ny alatsinainy teo. Tanjona ny hampihena ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’ny tetibolam-panjakana. Mitaky ny hametrahana fepetra hanohanana ireo mponina marefo mba hanalefahana ny mety ho vesatra ateraky ny […]
Toe-karena
Tetikasa andrana SPG: Miisa 247 ny mpamokatra mampihatra ny famokarana biolojika
Fito volana izao no efa nivoaka ny didim-panjakana fampiharana ny famokarana biolojika. Mandeha ny tetikasa andrana, fampiharana azy, manaraka ny fenitra nasionaly sy iraisam-pirenena. Natao teto Antananarivo, omaly, ny atrikasa nitaterana ny vokatry ny tetikasa andrana, mahakasika ny fampiharana ny Rafitra ifampifehezana sy antoka ho an’ny famokarana biolojika (SPG Bio). […]
VAOVAO TAMBATRA
Mamokatra 3,1MW amin’izao ny milina mpihary herinaratra « GE 572 » ao Toamasina rehefa tsy niasa an-taonany maro. Tanjona ny hampakatra izany ho 3,5MW hanohanana ny famokarana ao an-toerana. Ankehitriny, ao anatin’ny andrana sy fanaraha-maso akaiky ny milina ny Jirama mba hahazoana vokatra azo antoka. Miara-misalahy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo […]
Lohamenaka – 2040 : Hanondrana vokatra 1 miliara dolara
Tafiditra ho anisan’ireo seha-pihariana 10 voalohany mampidi-bola vahiny betsaka eto Madagasikara ny lohamenaka. Mampiasa olona manodidina ny 500 000 isa izy ary manana anjara toerana lehibe amin’ny tontolo iainana. Vina apetraky ny Vondron’ny mpanondrana lohamenaka eto Madagasikara (Gehem) ny hampakatra hatrany amin’ny 1 miliara dolara isan-taona ny sandan’ny fanondranana ho an’ny […]
Jovena sy Spat : Hampiditra 2 tapitrisa dolara
Vita omaly, tetsy Andraharo, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ ny orinasa Jovena sy ny orinasa mahaleo tena mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Fiaraha-miasa haharitra 25 taona io. Raha ny fanazavana nataon-dRandriambahoaka Heritiana Anicet, tale jeneralin’ny Spat, hampiditra vola mitentina 2 tapitrisa dolara na 8 miliara Ariary mahery, isan-taona, ho an’ny fanjakana […]





