Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Hampiroboroboina ireo seranam-piaramanidina tantanin’ny Adema SA. Fantatra izany nandritra ny fampitana am-bava natao teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, ny herinandro lasa teo. Tafiditra ao anatin’ ny asa ny hanamafisana ny fiarovana sy ny fotodrafi­trasa any amin’ireo seranam-piaramanidina. Miisa 55 ny seranam-piaramanidina tantanin’ity orinasam-panjakana ity, ankoatra ny eto Antananarivo sy Nosy […]

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa: “Malalaka ny safidy “

” Fotoana mahamety azy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana momba ny fampiatoana vonjimaika ny haban-tseranana sy hetra amin’ny vary hafarana”, hoy ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Tsy mbola mahasehaka ny filàna ny vokatra eto Madagasikara. Antony nahatonga ireo fikambanana niray feo tamin’ny fanjakana. Nambaran’izy ireo fa hanamafy ny fitsinjovana ny […]

Fitrandrahana volamena : Tsy azo ampiasaina ny merkiora

Anisan’ny tena ahitana fitrandrahana volamena (AMEA) any amin’ny kaominina Antanimbary, distrika Maevatanàna, Faritra Betsiboka. An’arivony ireo mpitrandraka madinika any, nidina ifotony ny fanjakana nanentana azy ireo. Nampahafantatra ireo mpisehatra amin’ny volamena ny lalàna ny minisitera foibe avy aty Anta­nanarivo, nahitana ny mpanolotsaina teknika, ny tale jeneraly ny Ivontoerana momba ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiato ny famokarana ao amin’ny UTC 1000, ao Mandroseza, ka hampikorontana ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Hitohy hatramin’ny alatsinainy ny asa ary tanjona ny hampitombo ny habetsaky ny avoakan’ny paompy. Voakasiky ny tetikasa ny eny amin’ny Haute ville, Faravohitra, Ambato­nakanga, Antaninarenina, Amparibe, Maha­ma­sina, Behoririka, Ankadifotsy, Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, […]