Toe-karena

Angovo MAITSO: Hofanina ireo vehivavy

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PNBC Madagasikara ny fanofanana ny vehivavy 30 hatramin’ny 50 taona any Tsiafajavona sy Ambatolampy. Voakasik’izany ny fikirakirana, fanamboarana ary fametahana ny fitaovana manome jiro avy amin’ny masoandro. Ampianarina koa izy ireo hahaleo tena ara-bola sy ara-pivelomana. Natao ny 7 febroary teo, teto Antananarivo, ny fihaonana tamin’ny […]

Base Toliara: Manomboka ny fandraisana mpiasa sy fampiofanana

Omena tombondahiny ny olona avy ao an-toerana amin’ny fandraisana ho mpiasan’ny tetikasa Base Toliara. Ampirisihina ny tanora hanaraka fiofanana. Ela niandrasana! Anisan’ ny tena nandrandrain’ny mponina any an-toerana, hatry ny ela, ny hampidirana azy ireo ho anisan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Base Toliara. Koa, zava-dehibe tokoa ny fanazavana natao ny […]

Nandritra ny taona 2024: 262 000 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara

Mbola manafatra vary i Madagasikara hamenoana ny filana eto an-toerana. Ny taona 2024, manodidina ny 262 000 taonina ny vary nafarana sy naparitaka teny an-tsena, manerana ny Nosy. Nidina io tarehimarika io raha oharina ny tamin’ny taona 2023, tafakatra hatrany amin’ny 424 000 taonina (t), araka ny tarehimarika navoakan’ny fadintseranana. […]

Rajoelina Razakandisa Arena : Nahavita ny fianarana momba ny fitantanana hotely

Nizara ny hafaliany tamin’ny vahoaka malagasy, omaly, ny fianakavian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nasongadiny ny fahavitan’ny zanany lahimatoa ny fianarany. Nahavita ny fianarany omaly, Rajoelina Ra­zakandisa Arena, zanaka lahimatoan’ny filohan’ny Repoblika malagasy. Nahazo ny mari-pahaizana manokana momba ny fitantanana hotely, tao amin’ny Oniversite EHL Lausanne izy. Efa-taona no faharetan’ny fianarana […]

VAOVAO TAMBATRA

Hampitomboina 17 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania Ethiopian Airlines mampitohy an’Antananarivo sy i Nosy Be, manomboka ny volana jona 2025. Hetsika ho fampiroboroboana ny sidina ataon’ny kaompania eto an-toerana hatramin’ny niverenany teto Madagasikara nanomboka ny taona 2022. Hotanterahina ny 29 mey ka hatramin’ny 1 jona ny hetsika « Rallye VHR (Voiture […]